Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Ilay andrianan’izao tontolo izao (mandritra ny fotoana voafetra).

Daty
Alarobia 05 March 2025

Efa hitantsika tao amin'ireo lesona teo aloha fa ao anatin'ny fifanandrinana lehibe dia omena fahefana hoenti-manapaka an'izao tontolo izao mandritra ny fotoana voafetra i Satana sy ireo mpiara-dia aminy, voafetra araka ireo fitsipika mifehy ny ady izany fanapahana izany.

Tsy ny asa azon'ny fahavalo (ny devoly sy ireo mpiara-dia aminy) atao ihany no feran ireo fitsipika mifehy ny ady ireo fa ferany koa ny asan'Andriamanitra ho fanafoanana na fampihenana ny faharatsiana izay miseho (mandritra ny fotoana voafetra) mandritra ny fanapahan'ny fahavalo. Koa satria tsy mba mivadika amin'ny teny fikasany Andriamanitra, dia noferany ny asa hataony amin'ny hoavy (nefa tsy nampihena ny fahefany izany tsy akory); nekeny tamin'izany ireo fitsipika mifehy ny ady ka nahatonga ny devoly hahazo fanapahana voafetra mandritra ny fe-potoana voafaritra izany.

Vakio ny Jao. 12:31; Jao. 14:30; Jao. 16:11; 2 Kôr. 4:4 ary ny Lio. 4:6. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fanapahan'ilay fahavalo eto amin'izao tontolo izao?

Maneho fifandonan'ny fanjakana roa ny Testamenta Vaovao, ny fanjakan'ny mazava sy ny fanjakan'ny haizina, ary ny fanjakan'ny haizina dia avy amin'i Satana sy ny fikomiany. Ao anatin'ny iraka nampanaovina an'i Kristy ny handresy ny fanjakan'i Satana: "Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly." - 1 Jao. 3:8.

Misy anefa ny "fitsipika" izay mametra ny zavatra azon'Andriamanitra atao na dia mitoetra ho marina eo anatrehan'ireo fitsipiky ny fitondram-panjakany aza Izy. Farafahakeliny dia ireto no hita ao anatin'izany fefy tsy azo ihoarana izany: (1) ny fanomezana safidy malalaka ny voary ary (2) ny fitsipika mifehy ny ady araka ny fanekena, izay tsy ampahafantarina antsika, farafahakeliny amin'izao fotoana izao. Misy fiantraikany eo amin'ny fahafahan'Andriamanitra mampihena sy/na manafoana avy hatrany ny faharatsiana eto an-tany izany fanakanana na famerana ny fiasan'Andriamanitra izany. Noho izany, dia mbola hitantsika hatrany ny faharatsiana sy ny fahoriana, izay mahatonga ny olona maro hisalasala ny amin'ny fisian'Andriamanitra sy ny fahatsarany. Rehefa takatsika anefa ny fototry ny fifanandrinana lehibe, sy ireo fetra napetrak'Andriamanitra mikasika izay ataony eo anatrehan'ny faharatsiana, dia ho takatsika bebe kokoa ny anton'ny toe-javatra mitranga - farafahakeliny mandra-pahatonga ny fandresena farany izay handresen'Andriamanitra ny ratsy.

Manampy antsika hahatakatra momba ny faharatsiana izay misy eto an-tany ankehitriny ny fiantsoan'i Jesôsy an'l Satana hoe "andrianan" ‘ izao tontolo izao; amin'ny fomba ahoana? Mampahery tokoa ny fahafantarana fa mandritra ny fotoana voafetra ihany izany fanapahana Izany!

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal