Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.

Daty
Alatsinainy 02 March 2026

Anankiray amin'ireo foto-kevitra mazava indrindra momba izay tokony ho fomba fiaina ristianina ny lohahevitra resahin'ny epistily ho an'ny Kolosianina: "Koa tahaka ny nandraisanareo an'i Kristy Jesôsy ho Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa." - Kôl. 2:6. Mandray famonjena isika rehefa mandray Olona iray, fa tsy ny fitambarana fampianarana fotsiny. Ny fandrajsana an'i Jesôsy dia midika ho fanekena ny fampianarany rehetra koa, izay nomena tamin'ny alalan'ireo apostoly sy ny mpaminanin'ny Baiboly (jereo ny Efes. 2:20).

Mihoatra noho ny zavatra rehetra, ny fandraisana an'i Kristy dia midika ho fahafatesana ny amin'ny tena, fampileferana tanteraka ny "izaho" eo an-tongotr'ilay Kristy velona.

Tsy afa-misaraka amin'ny Teny voasoratra (Baiboly) ilay Teny Velona (Jesôsy ). Lafiny roa amin'ny vola madinika iray ihany ireo. Raha ny marina, dia amin'ny alalan'ny Soratra Masina ihany no ahafantarantsika an'i Jesôsy. "Mandeha" na velona "ao Aminy" isika; midika izany fa avelantsika hitarika antsika eo amin'ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika sy izay ataontsika ny Teniny sy ny Fanahiny.

Mampiasa sary an'ohatra fahita ao amin'ny Baiboly i Paoly ao amin'ny Köl. 2:7; fanoharana izay mampitovy ny Kristianina amin'ny zava-maniry izany. Manjary mamaka ao amin'i Kristy isika rehefa mandray Azy ho Mpamonjy antsika ary mampifanaraka ny fiainantsika amin'ny Teniny. Amin'izany no hahatonga ny finoantsika "tsy hiovaova".

Ahoana no anazavan'ireto toko sy andininy ireto ny sary an'ohatra momba ny zava-maniry amin'ny maha tandindona maneho ny mpino azy? (Jereo ny Isa. 61:3; Mat. 3:10; Lio. 8:11-15; 1 Kor. 3:6).

Mampiseho safidy roa mivelatra manoloana ny mpino i Paoly. Ny iray dia ny hitoetra ho "Hazo (...) nambolen'i Jehôvah " (Isa. 61:3) ka velona ao amin'i Kristy hatrany satria mifikitra Aminy sy amin'ny fampianarany. Ny safidy ankilany kosa dia ny ho tahaka ny zava-maniry voatr'olombelona, izay toa velona raha jerena saingy tsy misy aina akory. Rehefa mandray sy manaraka ny filozofian'olombelona sy ny fombafombany isika, dia manjary "babo" (Kôl. 2:8). Na dia nanafaka antsika aza i Kristy, dia mety mbola hohazonin'ny zioga fanandevozana ihany isika (Gal. 5:1; ampitahao amin'ny Asa 15:10).

Raha fintinina, ny fanekena ny fampianarana tsy araka ny Baiboly dia midika ho fandavana an'i Kristy, satria ireo izay mandray fampianaran-diso dia efa nandray filazantsara hafa ary nanaiky ny fahefan'olombelona mihoatra noho ny fahefan'ny Soratra Masina (jereo ny Gal. 1:6-9). Loza nananontanona ny fiangonana voalohany izany ary mbola mitoetra mandraka ankehitriny.

Inona no fanandramana manokana niainanao mikasika ny fahafatesana ny amin'ny tena mba handraisana an'i Kristy? Nahoana izany no tokony ho asa mitohy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal