Vakio ny Kol. 2:11-15. Inona ny zavatra toherin'i Paoly eto?
Impiry impiry moa isika no nahita ireo andalan-teny ireo, indrindra ny Kôl. 2:14, nampiasaina tamin'ny fomba diso mba hatao tohan-kevitra manohitra ny lalana sy ny fitandremana ny Sabata?
Ho fanampiana antsika hahatakatra ireo andalan-teny ireo, dia misy fanazavana manan-danja anankiroa atolotry ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito: voalohany, ny "sora-tanana" nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana dia ny lisitr'ireo fiampangana "manameloka" antsika, tahaka ilay soratra nataon'i Pilato teo amin'ny hazo fijalian'i Jesosy (Mat. 27:37; Jao. 19:19,20). Toy izao indray ny fanazavana faharoa: ny lalana seremoniely nosoratan'i Mosesy (Jereo ny Deo. 31:24-26) no nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana.
Rehefa mijery ireo andalan-teny ireo amin'ny tontolon-keviny mivelatra kokoa isika, dia mahita fa miresaka mazava momba ny lalana seremoniely izany.
Miresaka momba ny "famorana tsy nataon-tânana" koa i Paoly (Köl. 2:11), izany hoe ny famorana "ny fo" (Rôm. 2:28,29; ampitahao amin'ny Deo. 30:16). izay mifanohitra amin'ny fomba miharihary amin'ny famorana ara-nofo, anankiray tamin'ireo fitakiana manan-danja indrindran'ny lalana seremoniely (Lev. 12:3; ampitahao amin'ny Eks. 12:48).
Rehefa izay dia ampifandraisin'i Paoly amin'ny "fanesorana ny tenan'ny nofo" sy ny batisa atsoboka izany fiovana ao anaty izany. Amin'ny alalan'io batisa io no larahantsika alevina amin'i Kristy sy atsangana Aminy koa (Kol. 2:11,12).
Rehefa mandalo izany fanandraman'ny fiovam-po izany ny olona iray dia toy ny efa "matin'ny fahadisoana" ary "novelominy niaraka tamin'i Kristy izay namela "ny fahadisoantsika rehetra." - Kol. 2:13.
Ny teny hoe "didy" (Kol. 2:14) dia manondro ny didy manan-kerin-dalana, na ara-panjakana izany (Lio. 2:1; Asa. 17:7) na ara-pivavahana (Asa 16:4). Manondro ny lalána seremoniely ny teny grika hoenti-milaza izany, izay hita indray mandeha monja any amin'ny asa soratra hafa nosoratan'i Paoly momba ny rindrina nampisaraka ny Jiosy sy ny Jentilisa (Efes. 2:14,15).
Koa satria efa niresaka momba ny famelan-keloka sy ny fiovam-po aseho amin'ny alalan'ny batisa i Paoly, dia tsy azo heverina ny hiresahany momba io lohahevitra io amin'ny alalan'ny sarinteny hafa izay tsy ampiasaina ao amin'ny Soratra Masina. Hita taratra aza fa hevitra iray izay resahin'ny Efesianina no hamafisiny eto: ireo mpino Jentilisa any Kolosia dia tsy tokony hatahotra ny amin'ny fanarahana ny lalana seremoniely, anisan'izany ny famorana, na koa ireo lalana mikasika ny fahadiovana izay mifamatotra amin'izany fanekena izany (ampitahao amin'ny Asa. 10:28,34,35).
Hita mazava eto fa tsy milaza tsy akory i Paoly fa ny didy folo no nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana, indrindra moa fa faritany any amin'ny boky hafa ho fandikana ny didy folo ny ota (Rom. 7:7).