Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.

Daty
Alarobia 10 September 2025

FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA, ARA-DRARINY

Vakio ny Eks. 32:9-29. Inona no nataon'l Mosesy teo anatrehan'ny fikasan' Andriamanitra handringana ny Isiraely?

Raha mbola teo an-tendrombohitra Sinay i Mosesy, dia nilaza Andriamanitra fa handringana ireo mpikomy Izy ary hahatonga an'i Mosesy ho firenena lehibe kosa. Tsy izany anefa no tian'i Mosesy. Nitalaho tamin'i Jehovah izy, nantitranteriny fa tsy vahoakan'i Mosesy ny Isiraelita - fa vahoakan'Andriamanitra. Tsy ny tenany, izany hoe tsy i Mosesy, no nitondra azy ireo nivoaka avy tany Egypta, fa Andriamanitra no nanao izany tamin'ny alalan'ny asa mahery nataony. Dia toy izany no nitalahoan'i Mosesy tamin Andriamanitra, ka nitakiany ireo teny fikasana nataon'Andriamanitra voalohany tamin'ireo razany. Nanao asa fanelanelanana tamin'Andriamanitra sy ny olombelona i Mosesy.

"Ary Jehôvah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony"-Eks. 32:14; taorian'izany no niverenan'i Mosesy tany amin'ny vahoaka. Tsy misy filazana fa namirapiratra ny tavany noho ny fanatrehan'ny Tompo - tahaka izay nitranga tao amin'ny Eks. 34:29,30. Azo lazaina fa naneho taratra ny fahatezeran'Andriamanitra ny tavany.

"Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tänany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra." - Eks. 32:19. Ny fanapotehana ny vato fisaka nisy ny Didy Folo dia famantarana ivelany ny fahapotehan'ny ao anatiny. Nananatra an'i Mosesy Andriamanitra noho izany, kanefa taty aoriana dia nandidy an'i Mosesy Izy mba hanamboatra vato fisaka roa ho solon "ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao" - Deo. 10:2. Andriamanitra mihitsy no naniry hanoratra indray ny didy.

Nananatra mafy an'i Arona i Mosesy noho ny nanekeny ny fitakian'ny vahoaka. "Aqzany ny niakarany teny an-tendrombohitra niaraka tamin'i Mosesy sy ireo loholona 70 (Eks. 24:1).

Mampalahelo tokoa izany! Tamin'ny filazan'ı Arona fa nisy fahagagana niseho, dia nantenainy ho voafitaka ny rahalahiny (mariho ny fomba itarihan'ny fahotana iray ho amin'ny fahotana iray hafa; teto amin'ity tranga ity dia nitarika ho amin'ny lainga ny fanompoan-tsampy). Kanefa tsy voafitaka i Mosesy satria hitany ny fihetsiky ny olona, izay tsy voafehiny. Niharihary ny voka-dratsin'izany, ary tsy maintsy nampitsahatra ny fikomiana avy hatrany i Mosesy.

Inona no tokony hampianarin'ity tantara ity antsika momba ny herin'ny vavaka fanelanelanana? Ho an'iza no tokony hivavahanao amin'izao fotoana Izao?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal