Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 05 September 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Kor. 8-9; Jao. 3:16; Jao. 17:5; Lio. 9:58; Apok. 13:8; Rôm. 12:8; Rom. 15:26,27.

Tsianjery

"Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony." - 2 Kor. 8:9.

Hita ao amin'ny 2 Kor. 8 sy 9 fa nomen'i Paoly faha fahafahana hanampy ireo mpiray fanantenana aminy any Jodia ny Korintianina. Mampiseho ireo toko ireo fa tombontsoa manokana omen'Andriamanitra antsika ny fanomezana, mba hahafahantsika maka tahaka ny toetran'i Kristy izay mahafoy tena. Ny fanomezana no fitenin'ny lanitra. Mariho ity teny miavaka ity: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana" - Jao. 3:16.

Ankoatra izany, aseho mazava ao amin'ny Jao. 3:16 ny tanjon'Andriamanitra tamin'ny nanomezany an'i Jesôsy, dia "mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Miara-dalana ao amin'io andininy io ny fitantanam-pananana sy ny iraka. Tsy azo sarahina izy ireo, toy ny lafiny roa amin'ny vola madinika iray. Tsy mahagaga raha milaza ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ho "mpitandrina ny zava-miafina izay an'Andriamanitra" i Paoly - 1 Kor. 4:1. Mpitandrina araka izany hevitra izany koa isika.

Ho hitantsika amin'ity herinandro ity fa ny foto-kevitra momba ny fitandremam-pananana sy ny iraka dia miorim-paka lalina ao amin'ny oha-piainan'i Jesôsy . Marina tokoa fa tsy azo sarahina ireo. Ny fitantanam-pananana na fitandremam-pananana no manome ny fiangonana ny loharanon-karena, ara-bola sy olona, ho fanatanterahana ny iraka nampanaovin'Andriamanitra azy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 12 Septambra .

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal