Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.

Daty
Alakamisy 10 September 2026

Hitantsika fa nampirisika ireo mambra tany Korinto i Paoly mba handray anjara amin'ny famoriam-bola ho an'ireo fiangonana sahirana tany Jodia. Anisan'ny tanjony ny hanetsika toe-tsaina mitady firaisan-kina. Tiany handray anjara izy ireo amin'ny fanatanterahana iraka. Tiany haseho fa anisan'ny ankohonan'Andriamanitra ny fiangonana jentilisa, tahaka ireo mpino Jiosy tany Jerosalema ihany. Izany hoe, ireto olona izay fahavalony fahiny ireto dia mpiara-miasa aminy ankehitriny, isan'ny vahoaka sisan'ny Fanekena Vaovaon'Andriamanitra. Tian'i Paoly ho hita ny fianakaviamben'ny. kristianina manontolo, na Jiosy na Jentilisa, miray saina sy miray hina amin-kery, ary afaka mijoro ho vavolombelon'ny fiangonana amin'ny taranaka ho avy.

I Titosy miaraka amin'ny rahalahy roa hafa azo nitokiana no niandraikitra ny vola. Andriamanitra no nametraka izany fiahiana ny fiangonana izany tao am-pon'i Titosy (2 Kor. 8:16). Tamin'ny alalan'ny fiangonana no nifidianan'Andriamanitra ireo rahalahy roa hafa (2 Kor. 8:18-23). Nantsoina hoe «iraky ny fiangonana izy sady voninahitri Kristy» - 2 Kor. 8:23. Na ireo rahalahy mahatoky roa ireo, na ny fiangonana no faritana hoe «voninahitr'i Kristy», dia mety avokoa izany. Ny fanaovana fanatitra no tena famantarana ny fahatokiana amin'i Kristy, Izay Lohan'ny fiangonana (Efes. 4:15).

Ny 2 Kor. 8-9 dia manondro fa tokony homena ny olona voatendrin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fiangonana, ny fanatitra. Ny andian-teny hoe «ny fiangonana rehetra» (2 Kor. 8:18), «notendren'ny fiangonana» (2 Kor. 8:19), ary «iraky ny fiangonana» (2 Kor. 8:23) dia manondro izany indrindra. Noho izany, tsy mahagaga ny fanaovana antso toy izao: «asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.» - 2 Kor. 8:24.

Nyfanolorana fanatitra ho an'ny fiangonana-izay fitaovana voatendrin'Andriamanitra dia sady mampiroborobo ny firaisana no vokatry ny hanao ny asany ety an-tany fahatsapana ny fisian'ny firaisana ao am-piangonana (2 Kor. 8:13,14). Mety ho fitaovana mahomby amin'izany ny vola. Etsy ankilany anefa, raha tsy mifantoka amin'ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery ihany ny olona, dia mety hahatonga fisaraham-bazana koa ny vola.

Ahoana no anehoan'ny Rôm. 15:26, 27 ny fanirian'i Paoly hisian'ny firaisana eto?

Farany, asehon'i Paoly ho asa fanompoana ny famoriam-bola, asa fanasoavana, fitahiana, fiankohofana, ary koa firahalahiana. Ny fanatitra no mahatonga izany rehetra izany! Saino ny amin'izany.

Ahoana no mahatonga fanomezantsika ho an'ireo fiangonana sy ho an'ny iraka tanterahina any ivelany, Izay matetika any amin'ny toerana lavitra tokoa, hanampy amin'ny fanamafisana ny firaisana eo anivon'ny fiangonantsika maneran-tany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal