Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.

Daty
Talata 08 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 9:7. Inona no lazain'io andininy io momba ny fanolorana fanatitra?

Efa talohan'ny Fahalavoana ny fahatapahan-kevitr'Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao. Drafitra hatry ny ela ny fahatongavan'i Kristy ho faty ho antsika (Apôk. 13:8). Tsy nanapa-kevitra tampoka momba izany tsy akory Andriamanitra. Fikasany ny hanolotra ny Tenany tamin'ny alalan'i Jesôsy. Ao amin'ny 2 Kor. 8 sy 9 dia foto-kevitra vitra ara-teolojia ilaina momba ny fanomezana ny fanaovana drafitra. Azo jerena amin'ny fomba roa izany farafahakeliny:

Voalohany, mitaky fanapahan-kevitra mlaloha ny fanaovana drafitra. Hoy i Paoly: «Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy» - 2 Kor. 9:7. Ny teny grika proaireō no nadika hoe «iniana». Teny natambatra io matoanteny io. Ny hoe pro dia midika hoe «mialoha», ary ny aireō kosa, ato anatin'ity tontolon-kevitra ity, dia midika hoe «manapa-kevitra». Noho izany, ny proaireð dia manondro fanapahan-kevitra natao mialoha. Ary koa, ny fanombohan'i Paoly ny fanambarany amin'ny hoe «aoka ny olona rehetra samy (...)» dia manondro fa tsy hitovy ho an'ny rehetra ny vola homena. Ny tiany hambara fotsiny dia izao: na inona na inona fahatapahan-kevitry ny olona fa homeny, dia tokony hataony amim-pisainana tsara izany. Izay inoany fa mety indrindra no tokony ho habetsaky ny homeny.

Faharoa, ny fanaovana drafitra dia ahitana ny foto-kevitry ny fifandanjana. «Araka ny zakany» no nanomezan'ireo Makedonianina hoy i Paoly (2 Kor. 8:3). Avy eo, nampita io foto-kevitra io tamin'ny Korintianina koa izy. Rehefa nampirisika azy ireo hamita ny asa efa nekeny izy, dia nanasa azy ireo hanatanteraka izany tetikasa izany amin'ny fampiasana izay ananany (2 Kor. 8:11). Nofaranany izany tamin'ny filazany fa ny fanatitra dia «araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany» - 2 Kor. 8:12. Efa nofaritan'ny Baiboly ny fahafolonkarena, dia ny hoe folo isan-jaton'ny vola miditra aintsika (10%); fa tsy mihatra amin'ny fanatitra kosa izany. «Samia manao araka izay ninian'ny fony avy» - 2 Kor. 9:7, amin'ny fanomezana isan-jato mifandanja amin'izay ananantsika. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny tsirairay no manapa-kevitra hoe ampahany manao ahoana amin'ny fidiram-bolany no hatolony ho fanatitra. Tsy vita izany raha tsy misy fanaovana drafitra.

Manao ahoana ny fahatokianao amin'ny famerenana ny ampahafolony sy ny fanatitra, na manankarena ianao na mahantra? Inona no fialan-tsiny ataonao rehefa tsy omenao izany nefa fantatrao fa afaka manao mihoatra noho izany ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal