Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 14 March 2025

Vakio ny TFC, b. 9, tt. 285-288: "The Reward of Earnest Effort".

"Any amin'ilay tontolo ho avy dia hazava tsara amintsika izay rehetra nanahiran-tsaina antsika na saro-takarina teo amin'ny fitondran'Andriamanitra. Hovelarina eo anoloantsika ny tsiambaratelon'ny fahasoavana. Raha tsy nahita afa-tsy savorovoro sy fahadisoam-panantenana ny saintsika voafetra teo aloha, dia hahita firindrana mahafinaritra kosa. Ho fantatsika fa ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay no nandamina ireny toe-javatra izay toa fitsapana mahamay ireny. Rehefa tsapantsika ny fikarakarana mamy ataon'llay mahatonga ny zavatra rehetra hiara-miasa hahasoa antsika dia hiravoravo amin'ny fifaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra isika." TFC, b. 9, t. 286.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Efa nahavery hevitra anao ve ny fiezahana hahatakatra ny fomba fitantanan'Andriamanitra? Nahoana no mampionona anao ny fahafantarana fa ireny rehetra ireny dia hohazavaina amin'ny farany?

2. Saintsaino izay nafoin'i Kristy mba hahatongavany ho olombelona sy ho faty ho an'izao tontolo izao. Saintsaino lalina kokoa izay ambaran'izany amintsika momba ny fitiavan'Andriamanitra. Azo itokiana ve Andriamanitra? Inona no mbola azony natao ka tsy efa nataony?

3. Inona no maha-zava-dehibe ny "anaran'Andriamanitra"? Inona ny akon'izany amintsika izay mitonona ho Kristianina? Amin'ny fomba ahoana no analan'ny Kristianina baraka ny anaran'i Kristy indraindray, ary inona no azontsika atao eo amin'ny fiarahamonina misy antsika mba hampisehoana amin'ny olona ny atao hoe manara-dia an'i Kristy eo amin'ny fiainana andavanandro?

4. Raha ny marina, na ny tsara indrindra amin'ny "vahaolana" hitantsika ankehitriny manoloana ny faharatsiana aza dia tsy mbola mahafa-po. Inona no azontsika atao eo amin'ny fiainana andavanandro mba hanakaikezantsika ireo izay mijaly sy hanamaivanantsika ny fahoriana eto amin'izao tontolo izao, eo am-piandrasana ilay vahaolana farany mamarana hatreo ny olan'ny faharatsiana, izay Andriamanitra irery ihany no mahay manome izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal