Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 07 December 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 14:10,24; Gen. 3:7-9; Jao. 16:27,28; Jao. 16:7-11; Jao. 17:1-26.

Tsianjery:

"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." Jao. 14:26

Lohahevitra maro samihafa no hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona. Nisafidy hitantara ireo famantarana (fahagagana) i Jaona mba hanehoana fa i Jesôsy no ilay Mesia izay nampanantenain'ny mpaminany. Niantso vavolombelona maro izy mba hanambara ny maha-Kristy an'i Jesôsy. Nampiasainy koa ny fanambarana "IZAHO, IZAY IZY" mba hanondroana ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy.

Samy voatonona ao amin'ny Jao. 1 ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra telo izay iray (Jao. 1:1-4, 14, 18, 32-34). Nandritra ny taonjato maro no niezahan'ny olombelona nanakatra amin'ny fahafenoany ny toetran'Andriamanitra telo izay iray. Maro anefa no mandà izany hevitra izany, noho ny tsy fahafahantsika mahatakatra izany amin'ny fahafenoany. Endrey, fahadalana tokoa ny fandavana ny zavatra iray noho tsy fahatakarana izany amin'ny fahafenoany, na koa noho ny tsy fifanarahan'izany amin'ny fisainana voafetra ananan'ny olombelona!

Ambaran'i Jaona fa raha tian'ny olona iray ny hahatakatra ny momba an'Andriamanitra dia tsy maintsy mijery an'i Jesôsy sy izay voalaza ao amin'ny Teny izy. Manokatra ho antsika tontolom-pifandraisana iray vaovao izany - ny fifandraisana eo amin'ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra telo izay iray, ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny olombelona ary ny fifandraisan'ny samy olona. Mijery ny fomba anehoan'ny filazantsaran'i Jaona ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ity lesona mandritra ny herinandro ity. Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny lahateny ho fanaovan'i Jesôsy veloma anefa no hijerentsika izany izao (Jao. 13-17).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal