Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 07 December 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 14:10,24; Gen. 3:7-9; Jao. 16:27,28; Jao. 16:7-11; Jao. 17:1-26.

Tsianjery:

"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." Jao. 14:26

Lohahevitra maro samihafa no hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona. Nisafidy hitantara ireo famantarana (fahagagana) i Jaona mba hanehoana fa i Jesôsy no ilay Mesia izay nampanantenain'ny mpaminany. Niantso vavolombelona maro izy mba hanambara ny maha-Kristy an'i Jesôsy. Nampiasainy koa ny fanambarana "IZAHO, IZAY IZY" mba hanondroana ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy.

Samy voatonona ao amin'ny Jao. 1 ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra telo izay iray (Jao. 1:1-4, 14, 18, 32-34). Nandritra ny taonjato maro no niezahan'ny olombelona nanakatra amin'ny fahafenoany ny toetran'Andriamanitra telo izay iray. Maro anefa no mandà izany hevitra izany, noho ny tsy fahafahantsika mahatakatra izany amin'ny fahafenoany. Endrey, fahadalana tokoa ny fandavana ny zavatra iray noho tsy fahatakarana izany amin'ny fahafenoany, na koa noho ny tsy fifanarahan'izany amin'ny fisainana voafetra ananan'ny olombelona!

Ambaran'i Jaona fa raha tian'ny olona iray ny hahatakatra ny momba an'Andriamanitra dia tsy maintsy mijery an'i Jesôsy sy izay voalaza ao amin'ny Teny izy. Manokatra ho antsika tontolom-pifandraisana iray vaovao izany - ny fifandraisana eo amin'ireo Persona telo ao amin'Andriamanitra telo izay iray, ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny olombelona ary ny fifandraisan'ny samy olona. Mijery ny fomba anehoan'ny filazantsaran'i Jaona ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ity lesona mandritra ny herinandro ity. Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny lahateny ho fanaovan'i Jesôsy veloma anefa no hijerentsika izany izao (Jao. 13-17).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal