Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 13 December 2024

Vakio ny "Aza malahelo ny fonareo" toko faha-73 ao amin'ny IFM sy ny "Additional Note on [John] Chapter 1," ao amin'ny SDABC, b. 5, tt. 911-919.

Nitsara araka ny fenitr'olombelona, "araka ny nofo" - Jao. 8:15, ireo mpanohitra an'i Jesôsy tamin'ny fanombantombanana Azy. Azo heverina fa ratsy lavitra noho ny "mitsara araka ny miseho" izany (Jao. 7:24). Eto dia ny fepetran'ny nofo no nampiasain'izy ireo, izay an'ny olombelona lavo eto amin'ny tontolo lavo, ary tsy teo ambanin'ny fiasa maherin'ny Fanahy izany (jereo ny Jao. 3:3-7). Hitan'izy ireo ny "Nofony" araka ny maha-nofo izany, saingy tsy mba nosaininy mihitsy fa Izy no ilay Teny tonga nofo (Jao. 1:14). Ny fijerena an'i Kristy araka ny fepetra voafetra tahaka izany dia sahala amin'ny fandanjana Azy avy amin'ny fomba fijery araka izao tontolo izao (2 Kôr. 5:16).

"Antsoina hoe 'Fanahin'ny fahamarinana' ny Mpananatra. Mampiorina sy mihazona ny fahamarinana no asany. Mitoetra ao am-po amin'ny maha-Fanahin'ny fahamarinana Azy Izy aloha, ary amin'izay dia manjary Mpananatra Mpampionona. Misy fampiononana sy fiadanana ao amin'ny fahamarinana, fa tsy misy tena fiadanana na fampiononana marina mety ho hita ao amin'ny lainga. Hevitra sy lovan- tsofina diso no nentin'i Satana hahazoany ny fahefany amin'ny saina. Notarihiny ho amin'ny tarigetra diso ny olona ka nosimbany ny endriky ny toetra amam-panahiny. Miteny amin'ny saina ka mandatsaka lalina ny fahamarinana ao am-po ny Fanahy Masina amin'ny alalan'ny Soratra Masina. Amin'izany dia mampiharihary ny hevi-diso Izy, ka mandroaka izany tsy ho ao amin'ny fanahy. Amin'ny alalan'ny Fanahin'ny fahamarinana, izay miasa amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra, no ampileferan'i Kristy ny vahoaka nofidiny ho amin'ny tenany." IFM, tt. 559, 560, ed. 2023.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ny fiainana mandrakizay dia ny fahalalana an'Andriamanitra (Jao. 17:3). Inona no hevitry ny hoe mahalala an'Andriamanitra, izay mifanohitra amin'ny hoe mahalala zavatra vitsivitsy momba Azy fotsiny (ny maha-Tsitoha Azy na ny maha-Andriamanitra fitiavana sy tia ny rariny Azy)? Raha misy manontany anao hoe "mahalala an'Andriamanitra ve ianao?" Inona no havalinao azy? Hita ao amin'ny valinteninao ve i Jesôsy?

2. Amin'ny fiteny tsotra, inona no tian'i Jesôsy hambara amin'ny hoe: "ny teninao no fahamarinana" - Jao. 17:11?

3. Izao no vavaka nataon'i Jesôsy: "Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin'ny ratsy." - Jao. 17:15. Inona no fiantraikan'ny safidintsika amin'ny mety hamaliana araka ny tokony ho izy izany vavaka izany eo amin'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.
Sun 27 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra
Mon 28 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2
Tue 29 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7
Wed 30 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina
Thu 01 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray
Fri 02 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.
Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal