Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 13 December 2024

Vakio ny "Aza malahelo ny fonareo" toko faha-73 ao amin'ny IFM sy ny "Additional Note on [John] Chapter 1," ao amin'ny SDABC, b. 5, tt. 911-919.

Nitsara araka ny fenitr'olombelona, "araka ny nofo" - Jao. 8:15, ireo mpanohitra an'i Jesôsy tamin'ny fanombantombanana Azy. Azo heverina fa ratsy lavitra noho ny "mitsara araka ny miseho" izany (Jao. 7:24). Eto dia ny fepetran'ny nofo no nampiasain'izy ireo, izay an'ny olombelona lavo eto amin'ny tontolo lavo, ary tsy teo ambanin'ny fiasa maherin'ny Fanahy izany (jereo ny Jao. 3:3-7). Hitan'izy ireo ny "Nofony" araka ny maha-nofo izany, saingy tsy mba nosaininy mihitsy fa Izy no ilay Teny tonga nofo (Jao. 1:14). Ny fijerena an'i Kristy araka ny fepetra voafetra tahaka izany dia sahala amin'ny fandanjana Azy avy amin'ny fomba fijery araka izao tontolo izao (2 Kôr. 5:16).

"Antsoina hoe 'Fanahin'ny fahamarinana' ny Mpananatra. Mampiorina sy mihazona ny fahamarinana no asany. Mitoetra ao am-po amin'ny maha-Fanahin'ny fahamarinana Azy Izy aloha, ary amin'izay dia manjary Mpananatra Mpampionona. Misy fampiononana sy fiadanana ao amin'ny fahamarinana, fa tsy misy tena fiadanana na fampiononana marina mety ho hita ao amin'ny lainga. Hevitra sy lovan- tsofina diso no nentin'i Satana hahazoany ny fahefany amin'ny saina. Notarihiny ho amin'ny tarigetra diso ny olona ka nosimbany ny endriky ny toetra amam-panahiny. Miteny amin'ny saina ka mandatsaka lalina ny fahamarinana ao am-po ny Fanahy Masina amin'ny alalan'ny Soratra Masina. Amin'izany dia mampiharihary ny hevi-diso Izy, ka mandroaka izany tsy ho ao amin'ny fanahy. Amin'ny alalan'ny Fanahin'ny fahamarinana, izay miasa amin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra, no ampileferan'i Kristy ny vahoaka nofidiny ho amin'ny tenany." IFM, tt. 559, 560, ed. 2023.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ny fiainana mandrakizay dia ny fahalalana an'Andriamanitra (Jao. 17:3). Inona no hevitry ny hoe mahalala an'Andriamanitra, izay mifanohitra amin'ny hoe mahalala zavatra vitsivitsy momba Azy fotsiny (ny maha-Tsitoha Azy na ny maha-Andriamanitra fitiavana sy tia ny rariny Azy)? Raha misy manontany anao hoe "mahalala an'Andriamanitra ve ianao?" Inona no havalinao azy? Hita ao amin'ny valinteninao ve i Jesôsy?

2. Amin'ny fiteny tsotra, inona no tian'i Jesôsy hambara amin'ny hoe: "ny teninao no fahamarinana" - Jao. 17:11?

3. Izao no vavaka nataon'i Jesôsy: "Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny hiaro azy amin'ny ratsy." - Jao. 17:15. Inona no fiantraikan'ny safidintsika amin'ny mety hamaliana araka ny tokony ho izy izany vavaka izany eo amin'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal