Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - I Jesôsy sy ny Ray

Daty
Alatsinainy 09 December 2024

Noharian‘Andriamanitra telo izay iray mba hanana fifandraisana manokana Aminy isika (Gen. 1:26,27). Noho ny fisian'ny fahotana anefa dia nikorontana tanteraka izany fifandraisana izany. Hitantsika ao amin'ny tantara niseho tao amin'ny saha Edena ny vokatra mivantana avy amin'izany fikorontanana izany.

Vakio ny Gen. 3:7-9. Ahoana no anehoan'izany ny hantsana nateraky ny fahotana, ary inona no dikan'ny hoe Andriamanitra no nitady azy ireo ta tsy ny mifanohitra amin'izany?

Ny fikasan'Andriamanitra telo izay iray dia ny hanolotra fanasitranana ho an'ny taranak'olombelona rehetra noho ny amin'ny hantsana nateraky ny fahotana, na dia tsy ny olona rehetra aza no handray ny fanomezana atolony.

Tonga olona ny Persona iray ao amin'Andriamanitra telo izay iray mba hahatanteraka ny famerenana amin'ny laoniny izany fifandraisana izany. Noho izany, dia tonga nofo ny Teny ka nonina tamintsika, ary naneho ny voninahitr'Andriamanitra (Jao. 1:14-18). Vokatr'izany, dia nandray ny Fahatanterahany sy ny Fahasoavany ny taranak'olombelona. Ny hizara izany no nahatongavan'i Jesôsy, ny hitory ny voninahitr'Andriamanitra mba hiverina amin'ny laoniny ny fifandraisana izay notapahin'ny fahotana, farafahakeliny amin'ireo rehetra izay manaiky ny handray amin'ny finoana ny fanomezana atolotr'Andriamanitra azy ao amin'i Jesôsy Kristy.

Inona ny fanantenana mahafinaritra hitantsika ao amin'ireto andalan- teny ireto? Jao. 1:1,2; Jao. 5:16-18; Jao. 6:69; Jao. 10:10,30; Jao. 20:28.

"Ao amin'i Kristy no misy fiainana, araka izay niandohany, tsy nindramina, tsy noraisiny avy tamin'ny hafa." IFM, t. 438, ed. 2023. Amin'ny maha-Zanak’Andriamanitra tonga nofo an'i Kristy, izay nanafoana ny tenany (Fil. 2:7) ka tsy nampihatra ny Fahefany rehetra, dia niresaka momba ny fiainany teto an-tany tahaka ny anankiray amin'ny olombelona Izy, ary nanondro ny fiainany ho fanomezana avy amin'Andriamanitra. "Ny maha-Andriamanitra an'i Kristy no antoky ny fiainana mandrakizay ho an'ny mpino." - IFM, t. 438, ed. 2023.

Tsy nahalala an'Andriamanitra ny taranak'olombelona (Jao. 17:25). Noho izany no nanirahany ny Zanany Lahitokana (Jao. 9:4; Jao. 16:5) mba hahalalana Azy Ray.

Izao no nosoratan'ny olona Iray tsy mpino ny fisian'izay mety ho andriamanitra, mahakasika an'izao rehetra izao: "Ao anatin'ny haizina misy antsika, eo anivon'ny fidadasik'izao rehetra izao, dia tsy misy marika mihitsy maneho fa hisy fanampiana avy amin'ny toerana iray hafa ho tonga hamonjy antsika amin'ny tenantsika." Inona no ampianarin'ny Baiboly, izay maneho ny mahadiso hevitra izany lehilahy izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal