Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Ilay Ray any an-danitra

Daty
Alahady 08 December 2024

Nosoratana avy amin'ny fomba fijerin'ny tantara fototra ao amin'ny Baiboly ny filazantsaran'i Jaona; miantomboka amin'ny niandohantsika izany. "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany." Gen. 1:1. Na koa hoe: Tamin'ny voalohany Andriamanitra Ray, sy Zanaka ary Fanahy Masina nahary ny lanitra sy ny tany. Izy ireo no loharanon'ny zavatra izay misy rehetra. Izy ireo no namorona an'izao rehetra izao sy ireo mponina ao aminy. Nisy famoronana fiainana manokana teto amin'ny planetantsika, ary miavaka indrindra tamin'izany ny famoronana ny olona. Ary ny tanjon'Andriamanitra tamin'ny famoronana ny olombelona dia ny hiainantsika ao anatin'ny firindrana feno fitiavana miaraka Aminy sy isika samy olona.

Indrisy anefa fa nentin'i Losifera ho eto amin'ity tontolo ity ny fahotana. Azo lazaina ho fahasimban'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ny fahotana. Maneho endrika diso momba an'Andriamanitra izany. Noho izany no nandraisan'i Jesõsy ny toetry ny olombelona mba hamerenana amin'ny laoniny ny fahalalana an'Andriamanitra sy hamonjena ny taranak'olombelona.

Nampilefitra ny fiainany tamin'ny Ray i Jesôsy fony tety ka nivelona araka ny Fitondrany. Hoy Izy: "Izaho sy ny Ray dia iray ihany." - Jao. 10:30. "(...) Ny Ray no ato amiko, ary izaho ao amin'ny Ray" - Jao. 10:38. "Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy." - Jao. 10:37.

Inona ny anjara asan'ny Ray, araka izay voalazan'ireto andalan- tSoratra Masina manaraka ireto?

Jao. 3:16,17; Jao. 6:57………………………………………………………………………………………..

Jao. 5:22,30…………………………………………………………………………………………………….

Jao. 6:32; Jao. 14:10,24 …………………………………………………………………………………….

Jao. 6:45 …………………………………………………………………………………………………….….

Jao. 15:16; Jao. 16:23 ……………………………………………………………………………………….

Mampiseho ny fananan'Andriamanitra Ray firaisana ety amin'i Jesôsy Zanany ireo toko sy andininy ireo. Manana fifandraisana ety dia ety amin'ny tontolo misy antsika ny Ray, ary lalina ny fandraisany anjara amin'ny famonjena antsika. Inona no ampianarin'Izany fahamarinana izany antsika mikasika ny fitiavan'Andriamanitra antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal