Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 06 June 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 4:35-41; Mar. 5:21-34; Rôm. 5:3-5; Jôba 19:23-27; Joba 23:8-12; Lio. 24:13-27; Rôm. 8:18,28. 

Tsianjery "Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hita amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fillavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika." - Rôm. 5:3-5 


Indray takariva, raha nidina teny amin'ny faravodilanitra ny masoandro, dia nisy tovovavy iray nandeha nody; nisy tafio-drivotra mafy taminizay. Nanafaingana ny diany day tovovavy, satria fantany fa mbola lavitra ny lalana. Nisy piti-drano kely iray nilatsaka teo amin'ny takolany, avy eo nisy iray hafa, ary tsy ela akory dia kotsan'ny orana izy.

Nanomboka nihazakazaka izy mandra-pahatonga teo am-baravaran'ny trano fonenany ka nanokatra izany. Nihazakazaka nitsena azy ny rainy izay nahatazana azy avy teo am-baravarankely. Rehefa nanafy azy bodofotsy ny rainy dia nanontany azy hoe: "Hitako ianao nandeha tamin'ny orana. Nahoana ianao no nijanona sady niandrandra sy nitsiky isaky ny nisy tselatra be teny amin'ny lanitra?"

"Hay ve e! Nijanona mba hiandrandra aho," hoy ilay tovovavy, "satria naka sary ahy Andriamanitra!

Inona no fihetsika ataontsika rehefa misy tafio-drivotra eo amin'ny fiainana, na rehefa misy toe-java-tsarotra eo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra? Mitanondrika ve isika rehefa milatsaka eo an-damosintsika ny orana sa miandrandra kosa, satria fantatsika ary itokiantsika fa eo Andriamanitra raha mitodika Aminy isika?

Mandritra ity herinandro ity, dia hodinihintsika ny fihetsika ataontsika matetika rehefa sarotra ny fiainana. Hojerentsika ny fomba ahafahana mampiasa ireo sakantsakana eo amin'ny fiainana mba hanamafisana, fa tsy handemena, ny fifandraisana tena manan-danja indrindra ho antsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal