Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.

Daty
Alakamisy 19 June 2025

NY MARIKY NY BIBIDIA

Rehefa nandeha ny taona, ka tsy mbola niseho ireo tranga farany toy ny fametrahana ny mariky ny bibidia, dia naneho fisalasalana ny olona sasany. Eny, naneho tsy finoana aza izy ireo mikasika ny fanazavantsika ireo toe-javatra hitranga amin'ny andro farany, anisan'izany ny mahatonga ny Sabata sy ny Alahady ho ivon'ilay fifanandrinana farany.

Mazava ny voalaza ao amin'ny Apokalipsy: na isika mivavaka amin'ny Mpahary, na amin'ny bibidia sy ny sariny. Ary satria ny Sabata andro fahafito no famantarana fototra ny maha-Mpahary an'Andriamanitra - izay efa hatrany Edena mihitsy (jereo ny Gen. 2:1-3)-dia tsy tokony hahagaga raha ny Sabata no ho lohahevitra ifanolanana ao anatin'ny resaka fiankohofana amin'ny Mpahary. Ary tsy kisendrasendra koa raha ny fahefan'ny bibidia no fahefana nanova ny lalana momba ny Sabatan'ny Baiboly ho lalàn'ny Alahady, izay tsy voamarina akory ao amin'ny Baiboly. Ao anatin'ny tontolon-kevitra eto dia mitombina tsara ny hoe: tafiditra ao anatin'ny resaka fiankohofana ny hevitra momba ny Sabata sy ny Alahady -averina indray, na izany fiankohofana amin'ny Mpahary (jereo ny Apôk. 14:6,7) na amin'ny bibidia. Ankoatra izany dia misy fanambarana mialoha mikasika ny fifanoheran'ny Sabata andro fahafito sy ny lalàn'olombelona koa ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Vakio ny Mat. 12:9-14 sy ny Jao. 5:1-16. Inona no nahatonga ireo mpitondra fivavahana naniry hahafaty an'i Jesôsy ?

Ao amin'ny Mat. 12, nanao ahoana ny fihetsik'ireo mpitondra fivavahana rehefa nanasitrana ilay lehilahy maty tanana tamin'ny andro Sabata i Jesosy? "Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy." - Mat. 12:14. Mamono olona mihitsy ve noho ny amin'ny Sabata? Ao amin'ny Jao. 5:1-16, rehefa nanasitrana olona hafa indray i Jesosy tamin'ny andro fahafito, dia "nanenjika an'i Jesôsy " ny Jiosy, "satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy" and. 16.

Mamono olona mihitsy ve noho ny amin'ny fampianaran'olombelona mifanohitra amin'ny Sabata andro fahafito? (tsy misy mandrara ny fanasitranana amin'ny andro Sabata ao amin'ny Baiboly, toy ny tsy ahitana filazana ao momba ny nanoloana ny Sabata ho Alahady.) Na dia tsy mitovy tanteraka amin'izay nahazo an'i Jesosy teto aza no hitranga any am-parany, dia misy itoviany betsaka ihany: miady amin'ny lalan'Andriamanitra ny lalan'olombelona, ary ny Sabatan'ny Baiboly avokoa no toherina amin'izany.

Ho faty noho ny amin'ny didin'Andriamanitra anankiray ve? Nahoana no mora foana ny mahita hevitra mba tsy ho tonga amin'izany fahafatesana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal