Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 14 December 2024
Hodinihina mandritra ny herinandro:

Jao. 18:33-19:5; Jao. 19:17-22; Jao. 19:25-27; Lio. 2:34,35; Jao. 20:1-18; 1 Kôr. 15:12-20.

Tsianjery:

"Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesôsy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko." - Jao. 18:37.

Ny nanomboana an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny nitsanganany tamin'ny maty no mamarana ny filazantsaran'i Jaona. Tao anatin'ny telo taona sy tapany teo ho eo no nitrangan'ireo toe-javatra voatantara ao amin'ireo toko 10 voalohany ao amin'ny Jaona; ary tao anatin'ny herinandro iray na roa kosa ny voalaza ao amin'ny toko 11-20.

Samy manana ny fomba itantarany ny fahafatesan'i Jesôsy ireo filazantsara efatra. Na dia mifanaraka aza ny fitantaran'izy ireo, ny mpanoratra tsirairay dia manasongadina izay teboka hitany fa mifandrindra amin'ny lohahevitra voiziny ao amin'ny filazantsarany. Manasongadina ny fahatanterahan'ny Soratra Masina i Matio; i Marka kosa manasongadina ny fifandraisan'ny batisan'i Jesôsy sy ny hazo fijaliana; ary i Lioka mifantoka amin'ny hazo fijaliana sy ny fanasitranana ary ny famonjena (ny tantaran'ilay jiolahy teo amin'ny hazo fijaliana).

I Jaona indray dia maneho ny hazo fijaliana ho toy ny fametrahana an'i Jesôsy eo amin'ny seza fiandrianany, izay mifandraika manokana amin'ilay ora na fotoana voaresaka imbetsaka manerana ny bokiny (Jao. 7:30; Jao. 8:20; Jao. 12:27). Toa maneso ilay hoe fametrahana eo amin'ny seza fiandrianana; ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana mantsy no fomba mahatsiravina sy mahamenatra indrindra nampiasain'ny Romanina hamonoana olona. lo fifanoherana io indrindra no soritsoritan'i Jaona: maty tao anatin'ny henatra i Jesôsy, kanefa io koa no fotoana be voninahitra nametrahana Azy teo amin'ny seza fiandrianany, amin'ny maha-Mpamonjy Azy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal