Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 13 September 2025

FAMPIDIRANA 

Hodinihina mandritra ny herinandro:  Eks. 33:7-34:35; Deo. 18:15,18; Jao. 17:3; Rôm. 2:4; Jao. 3:16; 2 Kôr. 3:18.

Tsianjery:

"Ary Jehôvah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehôvah , Jehôvah , Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika." - Eks. 34:6,7.

Ilaintsika rehetra ny mitombo, eo amin'ny fiarahantsika mandeha amin' Andriamanitra. Raha tsy mitombo mantsy isika dia maty. Hoy ny apostoly Petera: "fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena." - 2 Pet. 3:18. Tokony haniry ny hitombo isika. Mianatra isan'andro ao amin'ny oniversiten'Andriamanitra isika, dia izay tsy misy fanolorana mari-pahaizana fa misy dingam-pianarana maharitra kosa. Eo amin'ny dingam-pitomboana tsirairay, dia azonao atao ny ho tonga tanteraka raha avelanao Andriamanitra hamolavola anao ho tonga araka izay iantsoany anao ao amin'i Kristy.

Eritrereto ny amin'ny sekoly anankiray. Raha mianatra mamaky teny sy manisa hatramin'ny 100 ny mpianatra ao amin'ny kilasy voalohany, dia mahazo naoty hifindrany kilasy satria tanteraka ny fahalalany eo amin'ny dingana sy ny ambaratongam-pitomboana misy azy. Raha izany fari-pahalalana izany ihany anefa no hita ao amin'ny mpianatra iray any amin'ny lisea, dia tsy fahombiazana lehibe eo amin'ny fianarany no tondroin'izany. Tahaka izany koa ny fitomboantsika ao amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'Andriamanitra. Azontsika atao ny ho tanteraka eo amin'ny tontolontsika, eo amin'ny dingam-pitomboana tsirairay lalovantsika, tahaka an'i Kristy teo amin'ny Azy.

Hianarantsika amin'ity herinandro ity ny formba nitomboan'i Mosesy, tamin'ny alalan'ny fahafantarany sy ny fanarahany ny torolalan'i Jehôvah , teo amin'ny fiarahany nandeha Taminy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 20 Septambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal