Vakio ny 2 Kor. 10:1-11. Heverin'ny olona ho fahalemena Indraindray ny fahamoram-panahin'i Paoly rehefa miresaka amin'ny Korintianina izy. Inona ny teny na fehezanteny ao amin'Ireo andalan-tSoratra Masina Ireo Izay maneho ny herim-pon'l Paoly amin'ny fiatrehana ireo olana mikasika ny mpampianatra sandoka tany Korinto?
Manomboka ny 2 Kor. 10 amin'ny firesahana momba ny tenany i Paoly: "Ary ny tenako izaho Paoly, dia mananatra anareo."- 2 Kor. 10:1. Izany no maneho fa nahavelona ahiahy azy ny fisian'ireo mpampianatra sandoka tafiditra tao amin'ny fiangonana. Mamerina ny teny fiampangan'ireo mpanohitra azy izy ao amin'ny 2 Kor. 10:1; nambaran'ireo fahavalony ireo mantsy fa lehilahy mahatahotra izy rehefa manoratra taratasy avy any lavitra saingy kanosa kosa rehefa miatrika mivantana ny olona (2 Kor. 10:10, 11). Novaliany fa izay toa heverina ho fahalemena dia tokony ho hita fa hamoram-panahy manan-danja sy fahalemem-panahy araka an'i Kristy.
Tsy maintsy atrehina amim-pahasahiana sy amim-patokisan-tena ny mpampianatra sandoka (2 Kor. 10:2) nefa tokony hiharo amin'izany koa ny hamoram-panahin'i Kristy (2 Kor. 10:1). Hoy i Jesosy indray andro: "malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho."-Mat. 11:29. Teo anatrehan'izany anefa, dia niteny mafy tamim-pahasahiana tamin'ireo mpanakalo vola tao amin'ny tempoly Izy ary nanjera ny latabatr'izy ireo sady niantso azy ireo hoe jiolahy (Mat. 21:12, 13). Nantsoiny koa hoe mpihatsaravelatsihy ireo Fariseo, ary teo imason'izy ireo no niantsoany azy ho fasana voalalotra fotsy (Mat. 23:23-27). Toa an'i Jesosy, dia fantatr'i Paoly koa fa ao anatin'ny ady ara-panahy isika, ady izay mitaky ny hampiasantsika ny fiadian'Andriamanitra (Efes. 6:12-17).
Manondro ny fiadian'ny miaramila ny teny ampiasain'i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 10 satria iankinana aina izany ady izany (2 Kor. 10:3-6). Tsy ady eo amin'ny olombelona fotsiny izany fa adin'Andriamanitra mihitsy, mba hamaboana olona ho an'i Kristy. Araka izany, ny hevi-diso sy feno fandrantan-tena rehetra dia tsy maintsy atrehina ary torotoroina, araka ny Tenin'Andriamanitra, mba hahatonga ny fisainana rehetra ho babo ka "hanaiky an'i Kristy."- 2 Kor. 10:5.
Ao anatin'izany ady ara-panahy izany, dia miasa araka ny fahefana nomen'i Kristy azy i Paoly, fahefana izay mikendry ny fampiorenana fa tsy ny fandravana izany (2 Kor. 10:8). Mora ho an'ny mpitondra fivavahana ny milaza fa miasa araka ny fahefan'Andriamanitra izy, nefa tokony hotadidian'izy ireo fa i Kristy no manome azy ny fahefana ka tokony ho hita eo aminy araka izany ny hamoram-panahin'i Kristy sy ny fanetren-tenany. Ny fanambaran'i Paoly fa nomen'i Kristy fahefana izy dia vokatry ny fanahiany fandrao ireo Korintianina hihaino ny mpampianatra sandoka ka tsy hahatoky amin'i Kristy intsony.
Ahoana no hanehoantsika fahalemem-panahy sy fahasahlana manoloana Ireo mpamplanatra sandoka? Nahoana no tsy maintsy maneho Ireo toetra roa ireo Isika?