Isika rehetra dia samy efa nihozongozona, na tsy nahatoky, na matimaty teo amin'ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra. Inona no nampiverina anao ho amin'ny fifandraisana lalina Aminy?
Ahitana hafatra kanto momba ny fitondran'Andriamanitra ny olony miverina Aminy ao amin'ny Zak. 10.
Vakio miadana io toko io izao ary soraty ireo hevi-dehibe ao.
Eo amin'ny fiainana andavanandro, dia mety ho sarotra ny mifandray sy ny mifanerasera amin'ny havan-tiana izay naniasia niala tamin'ny Tompo. Mety mametra-panontaniana ianao hoe inona re no tokony ho natao ka tsy ho nahatongavana tamin'izao toe-zavatra izao e? Mety manontany tena ianao hoe ahoana no hifandraisana aminy izao, satria efa hafa ny fomba fijeriny; ary mety hahatsiaro ho diso fanantenana sy tsy afa-manoatra ianao manoloana ireo safidy ratsy mbola ataony hatrany. Hisy fiantraikany mandrakariva amin'ny fomba fifandraisanao amin'ilay havan-tianao ireo eritreritra ireo; noho izany dia zava-dehibe tokoa ny iainanao sy itenenanao avy amin'ny rakitra tsaran'ny fonao vokatry ny fiarahanao manokana amin'ny Mpamonjy.
Ny asehonao eo amin'ny fiainanao, ny fihetsikao, ny teninao, ary ny vavaka ataonao ho an'ny vadinao na ny zanakao izay niala tamin'Andriamanitra dia afaka manova tanteraka ny fiainany sy ny hoaviny. (Vakio ao amin'ny Lio. 22:31,32 sy ny Jao. 21:15-17 ny fomba nanovan'ny vavaka nataon'i Jesôsy ho an'i Petera ny hoaviny.) Apetraho eo an-tanan'Andriamanitra ny alahelonao, ny hevitrao, na ny fahatsapanao ny fahamelohan'izy ireo, ary angataho Andriamanitra hanampy anao hanana fitiavana ho solon'izany, izay lzy irery no afaka manome azy. Angataho Andriamanitra mba hatafiny anao ny toetrany mba hanehoanao toetra feno fitiavana sy fiheverana ny hafa. Tsarovy fa "tsy misy hery hafa izay afaka hanodidina ny fanahin'olombelona ho manan-kery tahaka ny hery miasa avy amin'ny fiainana tsy misy fitiavan-tena. Ny fonjan-kevitra mahery vaika indrindra manohana ny filazantsara dia ny kristianina be fitiavana sy mahate-ho tia."— TMF, t. 313.
Amin'ny alalan'ny ohatra asehontsika, ny fiainantsika mahatoky izay misarika ny hafa ho eo amin'i Kristy, dia hahita zavatra ao amintsika ireo izay nanda an'i Kristy, zavatra izay tsy maintsy ho avy amin'Andriamanitra irery Many. Hahita fiadanana mihoatra noho ny fahalalana rehetra izy ireo, fitiavana izay tsy mba mandao velively, ary fanantenana izay matoky na dia ao anatin'ny toe-java-tsarotra indrindra aza. Tsy miova na oviana na oviana ny fitiavan'Andriamanitra antsika sy ireo malalantsika. Azontsika zaraina amin'ny manodidina antsika io fitiavana io, izay raisintsika isan'andro.
Inona no ampirisihan'ny Efes. 3:17-19 antsika?