Ny fanontaniana ho antsika tsirairay dia izao: Iza no itorianao an'i Jesosy — mpiasan'ny paositra ve, sa mpivarotra, sa olona iray hitanao isan'andro eny an-dalana? Miantso ny mpino rehetra Andriamanitra mba hanampy Azy amin'izany asa izany, ary manome toky Izy fa hanome anao "hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka" - Isa. 50:4. Adidin'ny Kristianina koa ny ho vonona mandrakariva hamaly tsara izay rehetra manontany azy ny amin'ny finoana sy ny fanantenana ao anatiny ("apologie") (1 Pet. 3:15).
Vakio ny 1 Pet. 3:8-15. Inona no ambaran'ny Tenin'Andriamanitra amintsika ao amin'ireo andininy ireo?
Ireto misy soso-kevitra tsotra hotadidinao eo am-pandinihanao ny fomba hahatonga anao ho vonona kokoa hizara an'i Jesôsy amin'ny hafa:
• Ataovy izay hahafantarana olona ka mikolokoloa fisakaizana amin'izy ireny rehefa mandeha eny ny fotoana. Ny halemem-panahy, ny hatsaram-panahy, ary ny fitsinjovanao marina izay mahasoa azy ireo (toetra maha-te ho tia) dia hanampy amin'ny fitaomana azy ho eo amin'Andriamanitra.
• Mivavaha mba hiasan'ny Fanahy Masina ao am-pon'ilay olona. Mivavaha mba hahita fotoana mety hifandraisana aminy.
• Mitadiava fomba tsotra hiresahana momba ny fanandramanao ara-pinoana na manaova vavaka ho azy ireo. Angataho Andriamanitra hanome anao fahasahiana nefa amim-pahalemem-panahy eo am-panaovana ny asany.
• Mitadiava hevitra hampifandraisana ilay namanao vaovao amin'ireo olona hafa ao am-piangonanao, mba ho fantany hoe toy ny ahoana ny fandraisan'ireo mambra ao amin'ny fiangonanao. Ny fampidirana azy ao amin'ny vondrona mpinamana na miara-mianatra Baiboly no dingana tsara manaraka.
• Ento am-bavaka manokana ny amin'izay ilainao, na ireo fanontaniana mety hapetraky ny namanao vaovao, ary mitadiava fotoana ahafahanao maneho aminy fa manome fampaherezana, torohevitra, ary taridalana eo amin'ny fiainantsika tokoa ny Baiboly. Azonao atao ny mizara teny fikasana iray ho azy avy ao amin'ny Baiboly amin'ny voalohany, na mamaly fanontaniana iray, izay hanokatra ny varavarana ho amin'ny fifanakalozan-kevitra lalina kokoa. Mivavaha ho an'izany koa.
• Ho avy ny fotoana izay hanirianao hanontany raha to hiroso amin'ny dingana manaraka ny namanao (fianarana Baiboly, ary any amin'ny farany, batisa). Aza maika amin'ireo dingana ireo saingy aza taraiky koa. Mivavaha momba izany.
Ny fihetsika sy ny asantsika dia tokony haneho ny maha isika antsika. Toriteny tokoa ny fomba fitondrantsika ny hafa sy ny fifandraisantsika amin'izy ireny eo amin'ny fiainantsika. Rehefa voatefy araka ny endriky ny Tompo ny toetrantsika (fanamasinana), dia ny hitaona ny olona rehetra ho eo Aminy, no ho antom-piainantsika.