Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".

Daty
Alakamisy 25 June 2026

Averina amintsika indray ny fanasana anio, hoe: "Avia."

Vakio ireto toko sy andininy manaraka ireto ary mariho ny fanasan'i Jesôsy anao mba hanatona Azy: Mat. 11:28-30; Isa. 55:1-3; Jao. 6:44. 

Irin'ny Fanahy Masina ny hampanakaiky anao amin'i Jesôsy anio. Manasa anao i Jesôsy hanatona Azy, hitoetra ao Aminy anio sy isan'andro, mandra-piveriny. Rehefa mamaly ianao ka manatona Azy, rehefa malefaka ny fonao ary milefitra ny sainao, dia hahatsapa fiadanana ianao satria fantatrao fa na dia ho faty aza ianao dia hatsangany amin'ny andro farany, na toy ny ahoana na ahoana tahatsapanao ho tsy mendrika. Hoy i Jesôsy: "izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy" - Jao. 6:37.

Tokony ho tsapantsika ny mahamaika ny fiaraha-miasa amin'ny Fanahy Masina mba hanasana ny hafa hanorina fifandraisana mahavonjy amin'i Jesôsy . "Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina." - Apôk. 22:17.

Maimaimpoana ny fanasana; atolotra ho fanomezana avy amin'ny fahasoavana izany. Rehefa mandray Azy ao amin'ny fiainantsika isika ary tia Azy amin'ny fontsika rehetra sy ny saintsika ary ny fanahintsika sy ny herintsika rehetra (Deo. 6:5), dia hiova mandrakizay ny fiainantsika eto sy amin'ny hoavy.

Na dia manasa antsika hanatona Azy aza i Jesôsy , dia izao ny fampanantenana ataon'ny teny farany ao amin'ny Baiboly: "Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesôsy Tompo!" - Apôk. 22:20.

Manao ahoana ny hafainganan'izany? Raha ny fijerintsika, vantany vao mikimpy ny masontsika rehefa maty isika, dia ny fiverenan'i Kristy no toe-javatra manaraka ho hitantsika. Rehefa dinihina ny fotoana fohy haharetan'ny fiainantsika, dia toy izany no mahafaingana ny fiverenan'i Jesôsy ho antsika. Izao angamba no eritreritra voalohany tonga ao an-tsaintsika amin'ny fitsanganana amin'ny maty: "Tena haingana tokoa ilay fiverenanao ry Tompo!"

Ankehitriny dia manjavozavo toy ny ao amin'ny fitaratra no hitantsika. Aminizay kosa dia hifanatrika Aminy isika. Aza ketraka amin'ny fiandrasana. Hazony ho velona mandrakariva ny faniriana izany, amin'ny finoana sy ny fitokiana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahatsarany. Avia, Jesôsy Tompo o!

Mivavaha mba hanananao finoana maharitra, finoana izay hahafahanao manolotra tanteraka ny tenanao ho an'llay maty ho anao ary ho avy faingana ho anao koa. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal