Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.

Daty
Alahady 21 June 2026

Rehefa mijery ny manodidina antsika isika dia mahita tontolo mikorontana sy mitaraina, ary ireo famantarana nambaran'i Jesosy dia efa tanteraka eo imasontsika. Ady sy filazana ady, firenena mitsangana hamely firenena, mosary, areti-mandringana, horohoron-tany, ary fanenjehana (Mat. 24:6-11) no hita manodidina antsika ary toe mihamahery vaika arakaraka ny andehanan'ny fotoana. Eny tokoa, miaina ao anatin'ny fotoan-tsarotra isika, fotoana izay ilantsika fifandraisana tsy tapaka amin'Andriamanitra.

Hoy ny Soratra Masina amintsika: "Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonona tena ho amin'ny fivavahana." - 1 Pet. 4:7. Raha toy izany tamin'izany andro izany, dia mainka amin'izao andro izao no fotoana tokony hanamafisana ny fifandraisanao manokana amin'Andriamanitra. Ary na haharitra ela na tsia ny fotoana, dia fohy mandrakariva ny fotoana iainan'ny tsirairay, na dia izay ela velona aza. "He! hianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona." - Jak. 4:13,14. Fantatsika fa marina izany fampitandremana izany. lanao izay mamaky izao teny izao dia mety tsy ho velona intsony amin'ny fotoana hifaranan'ny tantaran'ny tany. (zany no ampahany amin'ny zava-mahonena momba ny fiainana eto amin'ny tontolo iray lava Araka izany, zava-dehibe manao ahoana re ny fahazoana antoka momba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ny fahatnsiarovantsika mandrakariva fa mila Azy sy ny fahasoavany mahavonjy isika! Fangatahana amin'ny endriny kanto, izay miantefa amin'Andriamanitra, no hita ao amin'ny Sal. 80.

Vakio ny toko manontolo, ary diniho manokana ny and. 1-3, 14-17, 18, 19, ary soloy "izaho/ahy" ny hoe "izahay/anay". Na dia hafa aza ny fotoana sy ny toerana ary ny tontolon-kevitra mifandraika amin'io Salamo io, ahoana no ifandraisan'izany amin'ny fiainanao manokana?

Mila fifohazana isika rehetra eo amin'ny fiainantsika. More ny tsy miraika na manadino ny zavatra nataon'Andriamanitra sy ataony ho anao. Iza moa no mpino mahatoky, na die ao anatin'ny tolona aza, no tsy afaka hivavaka toy izao: "ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay." - Sal. 80:19? Rehefa ekenao izay efa nataon'i Jesosy ho anao, rehefa fantatrao fa efa voavela ny helokao ary voarakotry ny fahamarinany tonga lafatra ianao, izay omena anao amin'ny finoana, die afaka matoky ianao fa voavonjy ao Aminy.

Ahoana no fahatakaranao ny dikan'ny hoe Andriamanitra"mampamirapiratra" ny tavany aminao, indrindra eo anatrehan'ny fahafantaranao fa ny Fahamarinany irery ihany no mahavonjy anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal