Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.

Daty
Talata 23 June 2026

Raha natao sesitany tany amin'ny nosy Patmo i Jaona mpianatr'i Jesôsy , dia nomena fahitana momba izay hitranga rehefa tafaray amin'Andriamanitra indray mandritra ny mandrakizay isika.

Vakio ny Apôk. 21:9-11. Inona no fanoharana nomena azy, ary Inona no antony nampiasana izany, araka ny hevitrao?

Tsara tarehy ny ampakarina, ary amin'ny andro fampakarana azy dia samy maniry hahita azy ny rehetra. Ny fampakaram-bady dia kihon-dalana mankamin'ny fiainana vaovao hiarahan'ny mpampakatra sy ny ampakarina, ary izany koa no hitranga eo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra amin'ny fotoana hiverenany.

Efa nanomana toerana ho antsika i Jesosy (Jao. 14:1-3), toerana tsara tarehy izay mahatalanjona loatra ka tsy hay hosoritsoritana. Raha ny marina, dia "tsy ampy hahalaza ny momba ny valisoan'ny marina ny fitenin'olombelona. Izay hahita azy izany no hahafantatra azy. Tsy misy saina voafetra araka hahatakatra ny voninahitty ny Paradisan'Andriamanitra." — HM, t. 702 (ed. 1983).

Na dia tsy takatsika amin'ny fahafenoany aza izay ho toetry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, dia nanehoan'Andriamanitra fahitana i Jaona ny amin'izany toerana izany, izay iandrandrantsika fatratra day "fampakaram-bady" ho avy tsy ho ela. !no tokoa no fanasana alefa amintsika: "Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany." - KoI. 3:2.

Manomana fatratra izany fotoana manokana izany Andriamanitra, ary tsy tiany raha ho tampoka amintsika io "fampakaram-bady" io (vakio ny Mat. 22:1-14; Mat. 25:1-13).

Izao tontolo rehetra izao no fiangonana hanatri-maso izany toe-javatra izany, ary isika no ho anisan'ny mpandray anjara lehibe ao anatin'io tantara io. Hiaraka amin'ny "ampakarina" isika, hiditra ao amin'izany tanana izay hitondran'i Jesôsy antsika amin'ny fiaviany fanindroany izany. Mahavariana fa ny vahoakan'Andriamanitra (ny olona masina) dia antsoina koa hoe ampakarina (jereo ny Apôk. 19:7), angamba noho izy ireo ao amin'ny "tanana masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny." Apôk. 21:2. Izany fanoritsoritana kanto momba ny Tanana Masina izany dia maneho fa misy fifandraisana ety dia ety eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra sy ilay tanana, satria samy antsoina hoe "ampakarina" izy roa. Ny Baiboly dia manome famaritana an-tsipiriany momba "ny tanana masina, Jerosalema vaovao izay renivohitra sy mampiseho ny fanjakany (...) antsoina hoe: `ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry.'" — HM, t. 440 (ed. 1983)

Vakio ny Apôk . 21:9-27. Nahoana no sarotra ho antsika ny maka sary an-tsaina izany amin'izao fotoana izao? Ahoana no hanombohantsika mahatakatra ny zavatra ampanantenaina antsika eto?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal