Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAMANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Ity tokoa Ilay Mpaminany

Daty
Alatsinainy 07 October 2024

Vakio ny Jao 6:14,15,26-36. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona manoloana ny fahagagana nataony, ary ahoana no nampiasan'i Jesôsy izany mba hampianarany azy ireo mikasika ny maha-lzy Azy?

Nanantena mesia eto an-tany, izay hanafaka azy ireo amin'ny fampahorian'ny fanjakana rômanina, ny mponin'ny Jodia. Ireto roa ireto no mampanano sarotra indrindra mandritra ny ady: ny famahanana ny vahoaka, ary ny fikarakarana ny marary sy ny maty. Nasehon'i Jesôsy tamin'ireo fahagagana nataony fa hainy atao ireo roa ireo.

Kanefa tsy izany no nahatongavany, ary tsy izany no tanjon'ny fahagagana nataony. Ny namahanana ireo olona dimy arivo dia nahafahan'i Jesôsy naneho kosa fa Izy no mofon'aina, ary Andriamanitra mihitsy no nidina avy any an-danitra. "Izaho no mofon'aina"hoy Izy, "izay manatona Ahy tsy mba ho noana"- Jao. 6:36.

lo no voalohany amin'ireo "Izaho no (...)" miisa fito ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ("mofon'aina" Jao. 6:35; "fahazavan'izao tontolo izao" Jao. 8:12; "varavarana" Jao. 10:7,9; "mpiandry tsara" Jao. 10:11,14; "fananganana ny maty sy fiainana" Jao. 11:25; "Ialana sy fahamarinana ary fiainana" Jao. 14:6; "tena voaloboka" Jao. 15:1,5). Samy manondro fahamarinana lehibe momba an'i Jesôsy ny tsirairay avy amin'ireo. Mampahatsiaro izay voalaza ao amin'ny Eks. 3 ny hoe "Izaho no (...)", izay nanehoan'Andriamanitra ny Tenany tamin'i Mosesy ho Ilay "IZAHO IZAY IZY" lehibe (ampitahao amin'ny Jao. 8:58). I Jesôsy no "IZAHO IZAY IZY" lehibe.

Tsy takatry ny vahoaka anefa izany rehetra izany.

"Tsy afa-po izy, ka velom-panontaniana hoe: Raha afaka nanao asa betsaka mahagaga tahaka izay efa natrehiny maso Jesôsy, nahoana Izy no tsy ho afaka hanome fahasalamana, hery sy harena ho an'ny olona rehetra, hanafaka azy amin'ny mpampahory azy ka hanandratra azy ho amin'ny fahefana sy ny voninahitra? Kristy milaza fa Izy llay nirahin'Andriamanitra, nefa manda ny ho Mpanjakan'Isiraely, dia zava-miafina tsy hainy takarina izany. Diso ny fandraisana io fandavany io. Betsaka no nihevitra fa tsy sahy manamafy ny fitakiany Izy satria Izy tenany aza misalasala ny maha-avy amin'Andriamanitra ny asa nanirahana Azy. Tamin'izany no nanokafany ny fony ho amin'ny tsy finoana, ka nampitsimoka tao aminy ny voa izay efa nafafin'i Satana, dia ny fandraisana diso ny teny sy ny fihemorana." - IFM, tt. 306,307 (ed. 2023).

Tombon-tsoa ara-nofo no nokatsahiny fa tsy fahamarinana maharitra hatramin'ny fiainana mandrakizay. Fandrika mety hahazo antsika rehetra izany raha tsy mitandrina isika.

Ahoana no tsy haharevo antsika loatra amin'ny zavatry ny tany ka hanadinoantsika ny zava-panahy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal