Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Efa nahazo maimaimpoana hianareo koa manomeza maimaimpoana.

Daty
Alakamisy 09 January 2025

Tahaka ny tsy nahafahan'llay mpanompo nanefa ny trosany tamin'ny tompony no tsy ahafahantsika manefa ny trosantsika amin’Andriamanitra. Tsy ho mendrika na oviana na oviana ny fitiavan’Andriamanitra isika. "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." Rôm. 5:8. Fitiavana mahatalanjona manao ahoana re izany! Tahaka izao no ilazan'ny 1 Jao. 3:1 Izany: "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika!"

Azontsika atao ary tokony hataontsika ny mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa araka izay tratrantsika. Raha fiantrana sy famelan-keloka lehibe tahaka izany no efa noraisintsika, manao ahoana moa no tokony hanehoantsika fiantrana sy famelana amin'ny hafa? Aoka hotsaroantsika fa verin'ilay mpanompo ny fiantran'ny tompony sy ny famelany heloka noho ny tsy nanehoany ireo tamin'ilay mpanompo namany. Raha tia an’Andriamanitra marina tokoa isika, dia haneho taratra ny fitiavany amin'ny hafa.

Vakio ny Jao. 15:12: 1 Jao. 3:16 ary ny 1 Jao. 4:7-12. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fifandraisan'ny fifiavan’Andriamanitra sy ny fitiavantsika Azy ary ny fitiavantsika ny hafa?

Izao no nambaran'i Jesôsy tamin'ireo mpianany taoriana kelin'ny Jao. 15:12: "Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo." Inona ary no nandidian'i Jesôsy azy ireo? Ankoatra ireo baiko hafa, dia nandidy azy ireo (sy antsika) i Jesôsy mba hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo. Eto sy any amin'ny toko sy andininy hafa, mandidy antsika ny Tompo mba ho tia an'Andriamanitra sy ho tia ny namantsika.

Raha fintinina, tokony hahatsapa isika fa nafoy ny trosa tsy manam-petra tokony hefaintsika; tsy ho voaefantsika na oviana na oviana izany, trosa izay naloa ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana irery ihany. Araka izany, tokony ho tia sy hisaotra an Andriamanitra isika ary haneho fitiavana sy fahasoavana amin'ny hafa. Araka izay ampianarin'ny Lio. 7:47, dia lehibe ny fitiavanizay voavela heloka be, "fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana." Ary iza amintsika moa no tsy mahatsapa fa efa voavela heloka be?

Raha mitaky ny hitiavana ny namantsika ny fitiavana an'Andriamanitra, dia tokony ho dodona isika hizara ny hafatry ny fitiavan'Andriamanitra, amin'ny teny sy amin'ny asa. Tokony hanampy ny hafa eo amin'ny fiainany andavanandro isika. Aoka hokatsahintsika izay hahatonga antsika ho mpitondra ny fitiavan'Andriamanitra ka hampitodika ny olona amin'llay manolotra azy ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay any amin'ilay lanitra sy tany vaovao-dia ilay tontolo iray vaovao tsy tahaka ity tany ity simba sy ravan'ny fahotana sy ny fahafatesana, izay vokatra mahonenan'ny fandavana ny fitiavan'Andriamanitra.

Inona ny dingana manokana azonao atao mba hitiavana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitiavana ny hafa? Inona no azonao atao ankehitriny sy amin'ny hoavy mba hanehoana amin'ny olona ny fitiavan'Andriamanitra ary koa mba hanasana azy ireo hiaina ny fifalian'ny fananana ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal