Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Fifandraisana misy fepetra.

Daty
Talata 07 January 2025

Miantso sy manasa ny olona rehetra Andriamanitra mba hanana fifamatoram-pitiavana ety dia ety Aminy (jereo ny Mat. 22:1-14). Anisan'ny fanekena izany antso izany ny fankatoavana ny baikon’Andriamanitra izay mandidy ny hitiavana Azy sy hitiavana ny hafa (jereo ny Mat. 22:37-39). Ny fahazoan'ny olona iray ireo tombontsoan'izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany dia miankina amin'ny fanapahany hevitra amin-kalalahana ny handray na hanosi-bohon-tanana ny fitiavan'Andriamanitra.

Vakio ny Hôs. 9:15; Jer. 16:5; Rôm. 11:22 ary ny Joda 21. Inona no ampianarin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo antsika momba ny mety handavan'ny olona na hamoizany ireo tombontsoan'ny fitiavan'Andriamanitra?

Averimberina ao amin'ireo toko sy andininy ireo sy any amin'ny hafa koa fa miankina amin'ny valiny asetrin'ny olombelona ny fitiavan'Andriamanitra ny fisitrahany ireo tombontsoan'ny fifamatoram-pitiavana Aminy. Aoka anefa isika tsy hanao fahadisoana ka hihevitra fa tsy tia ny olona intsony Andriamanitra. Araka izay efa hitantsika, dia mandrakizay ny Fitiavany. Ary na dia nilaza izao teny izao tamin'ny olony aza Izy ao amin'ny Hôs. 9:15: "Tsy ho tia azy intsony Aho", dia zava-dehibe ny hahatsiarovantsika fa aty aoriana kely ao amin'io boky io ihany no ilazany amin'izy ireo hoe: "ho tia azy tsy vozonana Aho" Hôs. 14:4. Tsy azo adika ny Hôs. 9:15 fa tapitra hatreo ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany, azo antoka fa ny fepetran'ny lafin-javatra iray manokana na ny tombontsoan'ny fifamatoram-pitiavana amin'Andriamanitra no tondroin'izany. Ary zava-dehibe ho an'ny fitohizan'io fifandraisana io ny valiny asetrintsika izany Fitiavany izany.

"Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy." - Jao. 14:21. Tahaka izany koa no nanambaran'i Jesôsy tamin'ireo mpianany hoe: "ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho." - Jao. 16:27.

Ampianarin'ireo andalan-teny ireo sy ny andalan-teny hafa antsika fa miankina amin'ny fanekentsika handray ny fitiavan'Andriamanitra (ao anatin'izany koa ny fetezana ho mpizara izany fitiavana izany) ny fihazonana ireo tombontsoan'ny fifandraisana mahavonjy Aminy. Averina manam-pahataperana ny indray, tsy midika izany tsy akory fa fitiavan'Andriamanitra. Tsy azontsika atao ny mampiato ny famirapiratan'ny masoandro nefa azontsika atao ny miafina tsy ho azon'ny tarany; tahaka izany koa, tsy misy na inona na inona azontsika atao mba hampiato ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay nefa mety hanosi-bohon-tanana ny fifandraisana Aminy isika ka hampisaraka ny tenantsika amin'izay azon'izany fifandraisana izany atolotra, indrindra ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay.

Inona avy ireo fomba ahafahan'ny olona mahita sy miaina ny maha- zava-misy marina ny fitiavan'Andriamanitra, na hamaly fitia Azy izy ireo na tsia? Ahoana, ohatra, no anehoan'ny voary manontolo ny Fitiavany, na dia taorian'ny fahotana aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal