Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 11 July 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny Patriarka sy Mpaminany, Ellen G. White, “Mosesy,” tt. 251–256.

Ny fiantsoana nampientam-po teo amin’ny roimemy nirehitra no mety ho traikefa tena nanova ny fiainan’i Mosesy. Ny zava-dehibe hafa rehetra teo amin’ny fiainany dia niankina tamin’ny valin-teniny tsara sy nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny fanirahany azy hitarika ny Hebreo hiala any Egypta ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Eny, fantatsika izao ny fomba niafarany. Fa apetraho amin’ny toeran’i Mosesy ny tenanao tamin’ny fotoana nirehitra ny roimemy. Nandositra an’i Egypta izy mba hamonjy ny ainy. Taranaka Hebreo vaovao no niseho nandritra ny 40 taona, ka maro tamin’izy ireo no mety tsy nahafantatra firy momba azy, na angamba aza ny zavatra reny momba azy dia diso, voasivana tamin’ny tantara izay miova rehefa mandeha ny fotoana. Kanefa ankehitriny, nantsoin’Andriamanitra izy hitarika ity vahoaka ity hiala amin’ny firenena mahery? Tsy mahagaga raha nisy fisalasalana izy tamin’ny voalohany!

Eny, asa tena nitaky be izany, saingy alao sary an-tsaina hoe inona no ho very taminy raha toa ka nandà farany an’Andriamanitra izy. Mety ho nanjavona teo amin’ny tantara fotsiny izy fa tsy—amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra miasa ao aminy—nanao tantara ara-bakiteny ary lasa iray amin’ireo olona lehibe indrindra sy manan-kery indrindra, tsy ao amin’ny Baiboly ihany fa eto amin’izao tontolo izao mihitsy.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nandritra ny taona mangina lany tany an-tany efitra, i Mosesy dia nanao izay nantsoin’Andriamanitra azy hatao: izy dia raim-pianakaviana, nikarakara ondry, ary nanoratra boky ara-Baiboly roa ambany fitaomam-panahin’Andriamanitra talohan’ny niantsoana azy ho mpitarika lehibe ny vahoakan’Andriamanitra. Inona no ampianarin’ny traikefan’i Mosesy antsika momba ny adidintsika eo amin’ny fiainana?

2. Mety hilaza ny olona iray fa, raha ny fijery ivelany, ny fialan-tsinin’i Mosesy dia tena azo ekena, sa tsy izany? Nahoana no tokony hino ahy ny vahoaka? Iza moa aho raha vao manomboka? Tsy mahay miteny aho. Inona no tokony holazain’ity tantara ity antsika momba ny fomba hianarana hitoky fa Andriamanitra dia afaka manampy antsika hanao izay antsoiny antsika hatao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal