Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 11 July 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny Patriarka sy Mpaminany, Ellen G. White, “Mosesy,” tt. 251–256.

Ny fiantsoana nampientam-po teo amin’ny roimemy nirehitra no mety ho traikefa tena nanova ny fiainan’i Mosesy. Ny zava-dehibe hafa rehetra teo amin’ny fiainany dia niankina tamin’ny valin-teniny tsara sy nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny fanirahany azy hitarika ny Hebreo hiala any Egypta ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Eny, fantatsika izao ny fomba niafarany. Fa apetraho amin’ny toeran’i Mosesy ny tenanao tamin’ny fotoana nirehitra ny roimemy. Nandositra an’i Egypta izy mba hamonjy ny ainy. Taranaka Hebreo vaovao no niseho nandritra ny 40 taona, ka maro tamin’izy ireo no mety tsy nahafantatra firy momba azy, na angamba aza ny zavatra reny momba azy dia diso, voasivana tamin’ny tantara izay miova rehefa mandeha ny fotoana. Kanefa ankehitriny, nantsoin’Andriamanitra izy hitarika ity vahoaka ity hiala amin’ny firenena mahery? Tsy mahagaga raha nisy fisalasalana izy tamin’ny voalohany!

Eny, asa tena nitaky be izany, saingy alao sary an-tsaina hoe inona no ho very taminy raha toa ka nandà farany an’Andriamanitra izy. Mety ho nanjavona teo amin’ny tantara fotsiny izy fa tsy—amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra miasa ao aminy—nanao tantara ara-bakiteny ary lasa iray amin’ireo olona lehibe indrindra sy manan-kery indrindra, tsy ao amin’ny Baiboly ihany fa eto amin’izao tontolo izao mihitsy.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nandritra ny taona mangina lany tany an-tany efitra, i Mosesy dia nanao izay nantsoin’Andriamanitra azy hatao: izy dia raim-pianakaviana, nikarakara ondry, ary nanoratra boky ara-Baiboly roa ambany fitaomam-panahin’Andriamanitra talohan’ny niantsoana azy ho mpitarika lehibe ny vahoakan’Andriamanitra. Inona no ampianarin’ny traikefan’i Mosesy antsika momba ny adidintsika eo amin’ny fiainana?

2. Mety hilaza ny olona iray fa, raha ny fijery ivelany, ny fialan-tsinin’i Mosesy dia tena azo ekena, sa tsy izany? Nahoana no tokony hino ahy ny vahoaka? Iza moa aho raha vao manomboka? Tsy mahay miteny aho. Inona no tokony holazain’ity tantara ity antsika momba ny fomba hianarana hitoky fa Andriamanitra dia afaka manampy antsika hanao izay antsoiny antsika hatao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal