Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.

Daty
Alahady 06 July 2025

Taorian’ny nandosiran'i Mosesy tany Midiana, dia azo lazaina ho mora ny fiainany. Nanambady izy, nanan-janaka roa lahy, Gersoma sy Eliezera (Eks. 18:3,4), ary isan’ny fianakavian’i Jetro, izay rafozany sady mpisorona tany Midiana. Nilamina nandritra ny 40 taona izy tamin’ny naha-mpiandry ondry azy, tahaka an’i Davida (2 Sam. 7:8), nisitraka ny fanatrehan’Andriamanitra, indrindra teo amin’ny zavaboary.

Na izany aza, tsy hoe nanoroka voninkazo fotsiny no nandaniany ny fotoany (na angamba eto, ny raketa tany an’efitra?). Nanova sy nanomana azy ho amin’ny andraikitra maha-mpitarika ireo taona niarahany nandeha tamin’ny Tompo ireo. Tany amin’io tany efitra mangina io koa no nampiasan’Andriamanitra an’i Mosesy mba hanoratany, araka ny tsindrimandry avy Aminy, ireo boky roa tranainy indrindra ao amin’ny Baiboly, dia ny Joba sy ny Genesisy (jereo ny PM, ed. 1985, t. 248; Francis D. Nichol, et al., eds., The SDA Bible Commentary, b. 3, t. 1140).

Nahazo fahalalana manan-danja avy amin’Andriamanitra momba ny fifanandrinana lehibe eo amin’ny tsara sy ny ratsy, ny Famoronana, ny Fahalavoana, ny Safodrano, sy ny patriarika koa i Mosesy, ary ny tena zava-dehibe indrindra, naseho azy ny drafi-pamonjena. Araka izany dia nanana anjara lehibe tamin’ny fampitana ny fahalalana marina an’llay Andriamanitra velona, Mpamorona sy Mpanohana antsika, i Mosesy, ary koa ny fahalalana momba izay ataon’Andriamanitra manoloana ny fahotana nandrava ity planeta ity - ho an’ny taranak’olombelona manontolo. Tsy dia misy heviny loatra ireo tantara ao amin’ny Baiboly sy ny tantaran’ny famonjena raha tsy misy ny fototra manan-danja izay nampitain’i Mosesy tamintsika araka ny tsindrimandry nomen’Andriamanitra azy, indrindra ao amin’ny bokin'ny Genesisy.

Vakio ny Eks. 3:1-6. Mety hidika inona ny nanehoan’Andriamanitra ny Tenany tamin'i Mosesy ho llay “Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’lsaka ary Andriamanitr’i Jakoba”?

Hitan’i Mosesy fa tsy levon’ny afo ilay roimemy nirehitra, koa fantany fa fahagagana izany, ary nampoiziny fa hisy toe-javatra miavaka sy manan-danja hiseho eo anoloany. Rehefa nanatona izy, dia nasain’ny Tompo nanala ny kapany ho mariky ny fanajana lalina, satria nahatonga ilay toerana ho masina ny fanatrehan’Andriamanitra.

Naneho ny tenany tamin’i Mosesy ho llay “Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’lsaka ary Andriamanitr’i Jakoba” ny Tompo. - Eks. 3:6. Nampanantena ireo patriarika ireo Andriamanitra fa handova ny tany Kanana ny taranany, ary fantatr’i Mosesy tsara izany teny fikasana izany. Araka izany dia nosokafan’Andriamanitra sahady ny lalana mba hahafantaran’i Mosesy izay hitranga sy ny andraikitra lehibe hotanany.

Nila 80 taona i Mosesy vao hitan'Andriamanitra fa vonona ho amin’ny asany. Inona no ampianarin’io fahamarinana io antsika momba ny faharetana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal