Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.

Daty
Alarobia 08 April 2026

Efa hainao tsianjery angamba ny teny voalohany ao amin'ny Baiboly: "Tamin'ny voalohany Andriamanitra." Elohim no ilazana an'Andriamanitra eto, amin'ny teny Hebreo. Na azo ampiasaina iresahana momba ireo "andriamanitra" tsy izy aza io teny lo, rehefa manondro ilay Andriamanitra tokana sy marina izany, dia mamaritra Mpamorona Tsitoha sy Mahery indrindra mifandray amin'ny zavaboary manontolo, Andriamanitra Avo Indrindra izay tsy takatry ny saintsika, nefa mifehy ny zavatra rehetra. Mahery tokoa Izy. hany ka rehefa miteny Izy, ny feony fotsiny dia mahaforona zavatra.

Misy anaran'Andriamanitra hafa hita kosa ao amin'ny toko manaraka, ny Genesisy 2. Yahweh. Mifandray amin'ny Elohim io anarana io (Yahweh Elohim), izay manambara Andriamanitra Mahery sy Tsitoha ihany, nefa manokana kokoa ny anarana hoe Yahweh, ilazana Ilay Andriamanitra tokana sady marina, izay ampiasaina matetika hanasongadinana fa Andriamanitry ny fanekena Izy, ao anatin'ny fifandraisam-pitiavana amin'ireo olona noforoniny.

Ampitahao ny famaritana an'Andriamanitra ao amin'ny Gen. 1:1 sy ny Gen. 2:7. Inona no tsikaritrao?

Ao amin'ny Gen. 2:7, azontsika sary an-tsaina Andriamanitra mandohalika mamolavola ny olombelona voalohany avy tamin'ny tany amin'ny alalan'ny tanany mihitsy. "Ary vovo-tany no namoronan' i Jehôvah Andriamanitra ny ofona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony, dia tonga olombelona izy." Andriamanitra manatona akaiky dia akaiky no hitantsika eto, ka nofofoniny fofonaina mahavelona mihitsy ny vavoron'i Adama. Maneho an Andriamanitra mifandray ety amin'ny olona ny anarana hoe Yahweh, ary samy nampiasain'i Mosesy ireo anarana roa ireo, ao amin'ireo toko roa voalohany ao amin'ny Baiboly, mba hamaritana ireo toetra roa mampiavaka an'Andriamanitra ireo amintsika.

Tena mahavariana tokoa! Tsara ery ny mieritreritra ireo lafin-toetran'Andriamanitra roa ireo, sady manana fahefana amin'ny zavatra rehetra Izy no akaiky antsika. Araka ny nolazain'i Paoly tamin'ny Ateniana teo afovoan'i Areopago hoe "tsy mba lavitra antsika rehetra Izy, fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary lainantsika; araka ny nataon'ny mpanao fonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika-Asa. 17:27.28.

Zava-dehibe ny fikatsahantsika hatrany hanana sary mazava sy marina kokoa momba an'Andriamanitra mifototra amin'izay lazain'ny Baiboly momba ny toetrany, mba hitomboantsika amin'ny fifandraisana Aminy. Izany no maha zava-dehibe ny famakiana ny Baiboly manontolo fa tsy ny mifantoka amin'ny ampahany monja. Marina tokoa fa arakaraka ny ianarantsika momba ny toetran'Andriamanitra no ahaizantsika mitia Azy.

Vakio ny famaritan'i Eliho ny sasany amin'ireo toetran'Andriamanitra ao amin'ny Joba 36:24-33 sy ny Joba 37. Avy eo vakio ny fanambaran'Andriamanitra ny maha Tsitoha Azy ao amin'ny Joba 38 sy 39. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo amintsika momba an'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal