Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - NY FAHAFANTARANA NY MAHA-ZANAK’ANDRIAMANITRA : Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 11 October 2024

Vakio ny IFM, toko 58: "Ry Lazarosy, mivoaha!", sy ny toko 59: "Ny fiokoan'ny mpisorona".

"Ny fiainan'i Kristy, izay manome aina izao tontolo izao, no ao amin'ny teniny. Tamin'ny teniny no nanasitranan'i Jesôsy ny aretina sy namoahany demonia; tamin'ny teniny no nampitoneny ny ranomasina sy nananganany ny maty; ary ny vahoaka no vavolombelona fa nanan-kery ny teniny. Nilaza ny tenin'Andriamanitra Izy, tahaka ny nitenenany tamin'ny alalan'ny mpaminany sy ny mpampianatra rehetra tao amin'ny Testamenta Taloha. Fanehoana an'i Kristy ny Baiboly manontolo, koa nirin'ny Mpamonjy ny hampitoetra ny finoan'ny mpanaraka Azy amin'ny teny. Rehefa tsy hatrehin'ny maso intsony Izy, dia tsy maintsy ho loharanon-kery ho azy ireo ny teny. Tahaka ny Tompony no hivelomany amin'ny `teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra"- Mat. 4:4.

"Tahaka ny fiainantsika ara-nofo tohanan'ny hanina, dia toy izany koa ny fiainantsika ara-panahy tohanan'ny tenin'Andriamanitra. Ary ny fanahy rehetra dia tokony handray aina avy amin’ny tenin'Andriamanitra ho an'ny tenany. Tahaka ny tsy maintsy hihinanantsika sakafo ho an'ny tenantsika mba handraisantsika famelomana, dia toy izany koa no tsy maintsy handraisantsika ny teny ho an'ny tenantsika. Tsy tokony ho raisintsika fotsiny amin'ny alalan'ny sain'ny olona hafa izany. Tokony handinika akaiky ny Baiboly isika, ka hangataka ny fanampian'ny Fanahy Masina amin'Andriamanitra, mba hahazoantsika ny teniny."— IFM, t. 311 (ed. 2023).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1- Hitantsika tamin'ity herinandro ity ny namahanan'i Jesôsy ireo olona tsy omby dimy arivo, ny nanasitranany lehilahy jamba, ary ny nananganany an'i Lazarosy tamin'ny maty.

2- Samy nanaporofoan'i Jesôsy tamin'ny fomba mahery vaika ny maha-Andriamanitra Azy avokoa ireo toe-javatra ireo. Na nahatalanjona toy inona aza anefa ireo fahagagana ireo dia niteraka fisaraham-bazana izany. Ny sasany nino, ny sasany kosa nisalasala. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fihetsiky ny olona na dia eo anatrehan'ny porofo tsy azo lavina aza? Samy manondro an'i Kristy ho Zanak'Andriamanitra ireo tantara ireo. Nahoana no zava-dehibe ho an'ny finoantsika an'i Jesôsy ho Mpamonjy ny maha-Andriamanitra Azy?

3- Vakio indray ny ao amin'ny 1 Kôr . 1:26-29. Amin'ny fomba ahoana no ahitantsika ny fahamarinan'io foto-kevitra io amin'izao taonjato faha-21 izao? Inona ny sasany amin'ireo "fahadalana" inoan'ny Kristianina, izay lavin'ireo "olon-kendry araka ny nofo" sy esoiny? Inona ihany koa no inoantsika ka "hampahamenatra ny mahery"? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal