Ambaran'i Paoly fa ny hafatra ny amin'ny hazo fijaliana no herin'Andriamanitra ho antsika. Tsy mahagaga raha toa "Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana" no ivon'ny toriteniny (1 Kôr. 2:2).
Vakio ny 1 Kôr.1:17-31.1nona ny hevitra manan-danja ambaran'i Paoly eto?
Miresaka momba ny fifanoherana misy eo amin'ny fahadalan'ny olombelona sy ny fahendren'Andriamanitra i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 1 :18-31. Manan-kery haneho izay ratsy indrindra ao amin'ny olona sy izay tsara indrindra ao amin'Andriamanitra ny hazo fijaliana. Ny fanambarana ao amin'ny 1 Kôr. 1:17 no mampiditra izany fizarana ao amin'ny 1 Kew izany. Koa satria tsy natao ho foana ny fahefan'ny hazo fijalian'i Kristy (1 Kew. 1:17), dia izany (ny hazo fijaliana) no tsy maintsy ho ivon'ny fitoriantsika (jereo koa ny 1 Kt5r. 2:2).
Ambaran'i Paoly fa tsy nirahina hanao batisa izy fa mba hitory ny filazantsaran'ny hazo fijaliana. Mitaky famakafakana roa izany fanambarana izany. Voalohany, ny matoanteny grika izay nadika hoe "maniraka" dia apostello, fototeny iray ihany no niavian'izany sy ny teny hoe apostoly. Araka izany, ny asa maha-apostoly an'i Paoly dia ny fitoriana ny filazantsara. Faharoa, ny tenin'i Paoly momba ny batisa dia tsy midika fa tsy zava-dehibe ny batisa, na hoe latsaka ambany noho ny fitoriana ny lanjany. Tsy izany, fa nananatra ireo izay nanindrahindra ny olona nanao batisa azy mihoatra noho i Kristy izay nanaovana batisa azy ireo izy.
Ny filazan'i Paoly hoe "tsy tamin'ny teny fahendrena"- 1 Kôr. 1:17, dia tsy midika fa ratsy ny lahateny mipetrapetraka sy mampihetsi-po. Tsy izany fa izao no tena tiany hambara: tsy tokony hanakona ny hafatra momba ny hazo fijaliana ny fahendren'olombelona. Manondro ny hailahateny grika-romanina ireo teny ireo. Tany Atena mantsy dia nampiasa ny fahaiza-mandamin-kevitra (lojika) sy ny siansa ary ny filozofia i Paoly, saingy zara raha nitera-bokatra izany. Noho izany, dia "nanapa-kevitra ny hanaraka drafitra hafa izy amin'ny asany any Korinto eo amin'ny ezaka ataony hitazonana ny sain'ny tsy miraharaha sy ny tsy miraika. Tapa-kevitra hanafoana ny fonjan-kevitra sy ny adihevitra izy ary hahalala zavatra hafa' teo amin'ny Korintiana 'afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra Izy voahombo amin'ny hazo fijaliana.'"-VM, t. 214.
Amin'ny fomba ahoana no mety hanakonan'ny lahateny mipetrapetraka sy kanto ny hafatry ny hazo fijaliana? Nahoana ny fitoriana Jesosy Kristy sy Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana no nitera-bokatra bebe kokoa tany Korinto noho ny fahaiza-mandamin-kevitra sy ny slansa ary ny filozofia tany Atena? Kanefa, mety misy fotoana ve liana ny lojika sy ny filozofla ary ny slansa eo amin'ny fitoriana ny filazantsara?