Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.

Daty
Alahady 05 July 2026

Ambaran'i Paoly fa ny hafatra ny amin'ny hazo fijaliana no herin'Andriamanitra ho antsika. Tsy mahagaga raha toa "Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana" no ivon'ny toriteniny (1 Kôr. 2:2).

Vakio ny 1 Kôr.1:17-31.1nona ny hevitra manan-danja ambaran'i Paoly eto?

Miresaka momba ny fifanoherana misy eo amin'ny fahadalan'ny olombelona sy ny fahendren'Andriamanitra i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 1 :18-31. Manan-kery haneho izay ratsy indrindra ao amin'ny olona sy izay tsara indrindra ao amin'Andriamanitra ny hazo fijaliana. Ny fanambarana ao amin'ny 1 Kôr. 1:17 no mampiditra izany fizarana ao amin'ny 1 Kew izany. Koa satria tsy natao ho foana ny fahefan'ny hazo fijalian'i Kristy (1 Kew. 1:17), dia izany (ny hazo fijaliana) no tsy maintsy ho ivon'ny fitoriantsika (jereo koa ny 1 Kt5r. 2:2).

Ambaran'i Paoly fa tsy nirahina hanao batisa izy fa mba hitory ny filazantsaran'ny hazo fijaliana. Mitaky famakafakana roa izany fanambarana izany. Voalohany, ny matoanteny grika izay nadika hoe "maniraka" dia apostello, fototeny iray ihany no niavian'izany sy ny teny hoe apostoly. Araka izany, ny asa maha-apostoly an'i Paoly dia ny fitoriana ny filazantsara. Faharoa, ny tenin'i Paoly momba ny batisa dia tsy midika fa tsy zava-dehibe ny batisa, na hoe latsaka ambany noho ny fitoriana ny lanjany. Tsy izany, fa nananatra ireo izay nanindrahindra ny olona nanao batisa azy mihoatra noho i Kristy izay nanaovana batisa azy ireo izy.

Ny filazan'i Paoly hoe "tsy tamin'ny teny fahendrena"- 1 Kôr. 1:17, dia tsy midika fa ratsy ny lahateny mipetrapetraka sy mampihetsi-po. Tsy izany fa izao no tena tiany hambara: tsy tokony hanakona ny hafatra momba ny hazo fijaliana ny fahendren'olombelona. Manondro ny hailahateny grika-romanina ireo teny ireo. Tany Atena mantsy dia nampiasa ny fahaiza-mandamin-kevitra (lojika) sy ny siansa ary ny filozofia i Paoly, saingy zara raha nitera-bokatra izany. Noho izany, dia "nanapa-kevitra ny hanaraka drafitra hafa izy amin'ny asany any Korinto eo amin'ny ezaka ataony hitazonana ny sain'ny tsy miraharaha sy ny tsy miraika. Tapa-kevitra hanafoana ny fonjan-kevitra sy ny adihevitra izy ary hahalala zavatra hafa' teo amin'ny Korintiana 'afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra Izy voahombo amin'ny hazo fijaliana.'"-VM, t. 214.

Amin'ny fomba ahoana no mety hanakonan'ny lahateny mipetrapetraka sy kanto ny hafatry ny hazo fijaliana? Nahoana ny fitoriana Jesosy Kristy sy Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana no nitera-bokatra bebe kokoa tany Korinto noho ny fahaiza-mandamin-kevitra sy ny slansa ary ny filozofia tany Atena? Kanefa, mety misy fotoana ve liana ny lojika sy ny filozofla ary ny slansa eo amin'ny fitoriana ny filazantsara? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal