Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Miravoravo amin’ny fifaliana.

Daty
Alatsinainy 13 January 2025

Tsy hay tombanana ny hasarobidintsika tsirairay eo imason’Andriamanitra, na dia sarotra amintsika aza ny mahazo an-tsaina izany. Izany no mahatonga Azy ho ravoravo ny amin'ny fanahy voavonjy, na iray monja aza.

Vakio ny Zef. 3:17. Ahoana no hanazavan'io andininy io ilay fanoharana momba ny zanaka adala?

Manasongadina ny haravoan'Andriamanitra ny amin'ireo olona navotany ny Zef. 3:17. Saika voangona ao amin'io andininy tokana io avokoa ny teny hebreo rehetra maneho hafaliana sy haravoana, manoritsoritra ny fifalian'Andriamanitra ny amin'ny olony izay navotany. Toa saika tsy ampy mihitsy aza ny teny hanambarana ny halehiben'ny fifalian'Andriamanitra amin'izany andro izany.

Mariho koa fa araka io andininy io dia "ao amin'ny olony" no misy an' Andriamanitra. Ny famitranam-pihavanana vokatry ny fifandraisam-pitiavana dia miaraka amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Eto dia "ao" amin'ny olony Andriamanitra, tahak tahaka ilay ray nahatazana ny zanany raha mbola lavitra, ka nihazakazaka nitsena azy.

Ahitana sary toy izany koa ao amin'ny Isa. 62:4, izay misy fanoharana momba ny fanambadiana. Araka io andininy io, ny vahoakan'Andriamanitra dia hantsoina hoe "llay sitrako", ary ny taniny hatao hoe "Vady ampakarina". Nahoana? Araka ny voalaza dia satria "sitrak'i Jehôvah hianao, ary ny taninao hampanambadina". Amin'ny andro hampodin'Andriamanitra amin'ny laoniny ny zavatra rehetra no faratampon'ny fifaliany, rehefa handray ny olony sy hiravoravo amintsika Izy, tahaka ilay ray faly tamin'ny niverenan'ilay zanany nania.

Vakio ny Efes. 5:25-28. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny karazam-pitiavana tokony hananantsika sy asaina asehontsika?

Miantso ny lehilahy ho tia ny vadiny "tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy", sy ho tia azy "tahaka ny tenany", ireo andininy ireo. Tsy manasongadina fotsiny ny fitiavana tsy tia tena sy mahafoy tena tokony hananan'ny lehilahy amin'ny vadiny io andalan-tSoratra Masina io, fa mampiseho koa ny fitiavan'i Kristy ny olony (ny fiangonana) tahaka ny Tenany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal