Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA -Sarobidy lavitra noho izay mety ho takatry ny sainao.

Daty
Alahady 12 January 2025

Araka ny efa hitantsika tamin'ny lesona teo aloha dia tsy misy olona na iray aza, na mpanota sy mpanao ratsy toy inona aza, ka tsy tian'Andriamanitra.

Vakio ny Lio. 15:11-32. Inona no ambaran'ny fanoharana momba ny zanaka adala ny amin'ny fangorahan'Andriamanitra sy ny fitiavany? Inona ny fampitandremana omen'izany ho an'ireo izay mitoetra ao an-tokantrano, tahaka llay zanaka anankiray ao amin'ny fanoharana?

Ao amin'io tantara nataon'i Jesôsy io dia nangatahin'ilay zanaka mialoha tamin'ny rainy ny anjara lovany, izay maneho ny fandavany ny rainy sy ny ankohonany. Avy eo dia nandanilany foana izany lova izany ilay zanaka adala ary tonga mahantra sy noana, ka nitsirinitra ireo kisoa izay nanan-kanina. Nony tsaroany fa manana sakafo manana amby ampy ireo mpanompo ao an-tranon- drainy, dia nanapa-kevitra ny hody izy, nanantena ho tonga mpanompo.

Mahatalanjona ny tohiny. Ny raim-pianakaviana sasany dia mety handroaka ny zanaka toy izany raha tahiny miverina izy. "Efa nalainao ny anjara lovanao, efa nisaraka tamin'ny ankohonana ianao. Tsy manana anjara fonenana ato intsony ianao." Ho nitombina tokoa izany fihetsika izany, ary rariny aza, sa tsy izany? Ho an'ny ray aman-dreny sasany dia efa lasa lavitra loatra izany zaza izany ka tsy azo ekena intsony ny hiverenany, indrindra amin'ny maha-zanaka azy.

Ao amin'ny fanoharana anefa dia tsy mba toy izany ny fihetsik'ilay ray (izay maneho an'Andriamanitra). "Fa raha mbola lavitra izy (ilay zanaka adala), dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy." - Lio. 15:20. Na fihetsika tsy mendrika hataon'ny loham- pianakaviana tamin'izany andro izany aza ny mihazakazaka mivoaka ny trano hitsena olona iray, ity ray ity kosa, izay feno fangorahana, dia nihazakazaka nitsena ny zanany, ary tsy izany ihany fa noraisiny ho anisan'ny ankohonany indray izy ary nanaovany fanasana manokana mihitsy aza. Maneho izany fa feno fangorahana ny olona tsirairay izay mania Andriamanitra, ary mahafaly azy tokoa ny fiverenan'ny zanany, na anankiray monja aza, ao an-tokantrano. Manao ahoana re izany toetran'Andriamanitra izany e!

Mahaliana ny fihetsik'ilay zanaka anankiray. Nahoana no mitombina sy rariny amin'ny maha-olombelona tokoa ny fihetsiny? Inona anefa no ampianarin'lo tantara io antsika momba ny tsy fahatakarantsika ny tena hevitry ny filazantsara sy ny halalin'ny fitiavan' Andriamanitra antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal