Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 11 April 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Jao. 2:15-17; Lio. 18:9-14; 1 Jao. 1:9; Heb. 11:24-26; Lio. 22:24-27; Fil. 2:3-8.

Tsianjery:  "Fa izay rehetra manandra-tena no haetry: ary izay manetry tena no hasandratra."- Lio. 14:11

Isika rehetra dia samy efa nahafantatra olona be avonavona, izay mihevi-tena ho tsy mety diso mihitsy. Misy koa angamba ny olona fantatrao izay te hanana fifehezana mandrakariva, tsy mba misokatra handray toromarika na fanamarihana mampandroso. Mety misy koa ny olona izay tia manohitra ny hafa mandrakariva na fatra-panambany ny hafa. Mety misy olona tonga ao an-tsaintsika avy hatrany, kanefa izao ny fanontaniana tsara hapetraka: Ahoana ny amintsika tsirairay avy? Mamitaka ny tenantsika isika raha toa ka manondro molotra ny hafa ary milaza fa tsy misy avonavona eo amin'ny fiainantsika.

Samy efa nitolona tamin'ny avonavona isika rehetra. Samy efa nandalo tamin'ny fotoana iray izay naniriantsika ny hiseho, hiteny, hanao asa tsaratsara kokoa noho ireo manodidina antsika, noho ny finoantsika fa tsara kokoa noho izy isika, amin'ny lafiny sasany farafahakeliny. Indray andro dia nisy olona nilaza fa ny avonavona dia mipoitra avy amin'ny faniriana haneho fa manan-danja ny fiainantsika. Misy zavatra tokony ho fantatsika sahady anefa: manan-danja ny fiainantsika satria noharian Andriamanitra isika ary koa nanolotra ny ainy ho antsika i Kristy

Mandritra ity herinandro ity isika dia handinika ny fiantraikan'ny avonavonaeo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy amin'ny hafa. Hojerentsika amin'izany ny fampianaran'ny Baiboly mikasika ny fanetren-tena eo anatrehan'ny hafa, ary indrindra indrindra eo anatrehan Andriamanitra.

*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Aprily.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal