Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.

Daty
Alakamisy 16 April 2026

Avereno vakina ny Lio, 22:27. Inona no hafatra fototra ho an'ireo mpanara-dia an'i Kristy rehetra ao?

Mifanohitra tanteraka amin'ny fanirian'ny mpianatra ny ho ambony sy ny fiheveran-tenany ho tsara kokoa noho ny hafa, dia indro i Jesôsy , Ilay Ohatra faratampony amin'ny fanetren-tena. Izao no nolazainy: "Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. - Lio, 22:27. I Jesôsy , izay nanome isan'andro ho an'ireo mahantra nanodidina Azy noho ny fangorahany sy ny fahitany ireo vahoaka tahaka ny ondry tsy misy mpiahy. Fantany fa mila Azy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra eo amin'ny fiainana ny olombelona, na dia vitsy aza no nahatsapa izany faharnarinana tsotra izany. I Jesôsy , Ilay nandao ny lanitra mba ho faty ho an'ny taranak'olombelona ary nanantena fa hahatakatra izany asa mitory fahasoavana izany izy ireo ka hamaly ny fanasany azy hanana fifandraisana Aminy.

Vakio ny Fil. 2:3-8. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny tokony ho fomba fiainantsika eo anatrehan'ny hazo fijaliana?

Nanao izany rehetra izany | Jesôsy. Nentiny ny zavatra rehetra. Raha maka fotoana hiatoana mba hibanjinana Azy isika, amin'ny fomba marina sy madio, dia tsy maintsy hahatsapa ny fahalotoantsika sy ny filantsika Azy fatratra eo amin'ny fiainantsika ankehitriny.

Rehefa mitodika Aminy isika, dia manjary tsinontsinona ny zavatra hafa rehetra (indrindra ny tenantsika sy ny fiheveran-tenantsika ho lehibe). Ny mombamomba ani Jesosy sy izay nataony ary ny haben'ny fitiavany ny zavaboariny no manjary ivon ny zavatra rehetra ho antsika. Azo antoka tokoa fa ho foana ny "izaho" rehefa mijery Azy isika. Jesôsy, anarana kanto sy mahery tokoa! Izy no ohatra velon'ny fanetren-tena. Rehefa misokatra mba hianatra momba Azy ny fontsika, rehefa takatsika izay nataony ho antsika, ary renefa avelantsika hahazo toerana ao amin'ny fisainantsika ny teniny mitondra fiainana, dia ho Isapantsika fa miavonavona sy fadiranovana tokoa isika. Ireo mpianany izay niara-niaina sy nianatra Taminy aza nitolona tamin'ny avonavona, koa tsy azontsika atao ny hamita-tena amin'ny fiheverana fa samy hafa amin'izy ireo isika. Farany, tsy afaka ny hitombo ao amin'ny fifandraisana amin Jesosy isika raha tsy manetry lena.

Manokàna fotoana hiarahana Aminy izao. Raiso ny Baibolinao sy ny penina ary ny diary na ny taratasy iray ka mitadiava toerana mangina, mety any ivelan'ny trano angamba. Asao Andriamanitra mba hampahalefaka ny fonao sy hibitsika ao. Soraty ao amin'ny diary ny Sal. 138. Raha eo am-panoratana izany ianao, inona ny teny manaitra anao indrindra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal