Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 12 July 2025

SABATA HARIVA 12 Jolay 
Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 5:1-23; Apôk. 11:8; Eks. 6:1-13; Sal. 73:23-26; 2 Mr. 6:16; Eks. 6:28--7:7. 

Tsianjery: "Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: lzao no lazain'i Jehôvah , Andriamanitry ny lsiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra. Fa hoy Farao: Iza moa Jehôvah , no hekeko teny handefasako ny lsiraely? Tsy fantatro izay Jehôvah , ka tsy halefako ny lsiraely." - Eks. 5:1,2 

FAMPIDIRANA 

Maro ny mpino mihevitra fa tsy hiaina afa-tsy fifaliana sy firoboroboana ary fahombiazana ny olona iray rehefa manapa-kevitra ny hanara-dia an'Andriamanitra. Tsy izany mandrakariva anefa no miseho, araka izay asehon'ny Baiboly matetika. Misy indraindray ny sakana sy ny zava-tsarotra vaovao izay miseho. Mety handiso fanantenana tokoa izany, ary miteraka fanontaniana izay tsy ahazoam-batiny mora foana mandrakariva, na mety tsy ahazoam-baliny mihitsy aza.

Hiatrika fizahan-toetra maro ireo izay mitoky amin'Andriamanitra. Kanefa raha maharitra isika, dia hitondra vahaolana amin'ny fotoany sy araka ny fombany Andriamanitra. Mety hifanohitra amin'ny vahaolana haingana sy eo no ho eo izay andrandraintsika no entiny, nefa tsy maintsy mianatra mitoky Aminy isika eo anatrehan'izany.

Araka izany, dia tahaka izao ny lohahevitra hodinihina mandritra ity herinandro ity: i Mosesy sy ny baiko ny amin'ny hitarihany ny vahoakan'Andriannanitra hivoaka an'i Egypta - antson'Andriamanitra izay nataony mazava araka izay azo natao izany. Nisy fahagagana tao anatin'izany, ary tao koa ny fitenenan'Andriamanitra nivantana tamin'i Mosesy sy ny fampahafantarany ny zavatra tiany hataon'i Mosesy.

Nanao ahoana ny fahitan'i Mosesy izany, nanamora kokoa ny toe-javatra ye ny fahafantarany fa nantsoin'Andriamanitra izy ary nomena asa manokana koa mba hataony? Tokony ho mora izany, sa tsy izany? Andeha hotohizana ny tantara. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal