Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.

Daty
Talata 13 January 2026

Vakio ny Fit. 1:23,24. Inona no tian'i Paoly hambara amin'ny hoe "maniry ny hiala " aho "ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany"?

Diso hevitra ny olona maro momba io andalan-teny io nandritra ny fotoana ela. Ao amin'ny andininy natao hodinihintsika amin'ity herinandro ity, dia miresaka momba ny fifanoherana misy eo amin'ny fiainana sy ny fahafatesana i Paoly. Velona ho an'i Kristy ny Kristianina ary mety ho faty ho Azy aza. Amin'io heviny io dia "tombony" izany satria mainka mahery sy mandresy lahatra ny fijoroantsika ho vavolombelona (Fil. 1:21). Tsy isalasalana fa manam-pinoana tokoa ny olona iray raha vonona ho faty ho an'izany finoana izany izy.

Kanefa tsy maintsy manaiky koa isika fa tena maty tokoa ny maty. Tsy "mahalala na inona na Inona" izy ireo. Miala sasatra ao am-pasana izy mandra-pahatongan'ny fitsanganana amin'ny maty (jereo ny Mpitt. 9:5; Jao. 5:28,29). (zany no nilazan'i Jesôsy momba an'i Lazarosy izay efa maty hoe: "Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho." - Jao. 11:11.

Raha toa ka miakatra any an-danitra avy hatrany ny olona rehefa maty, dia alao sary an-tsaina ny zava-nitranga tamin'i Lazarosy. Efa efatra andro i Lazarosy no nifaly sy niravo tany am-Paradisa, kanjo tonga ny anjely iray nitondra "vaovao ratsy" hoe: "Miala tsiny, ry Lazarosy, fa miantso anao hiverina any an-tany i Jesôsy. Tsy afaka mijanona eto ianao."

Raha dinihintsika tsara ny hevi-diso sy ny vokany lojika, dia ho hitantsika ny mahadiso azy. Toy ny torimaso tsy misy nofy ny fahafatesana, izay amohazan'i Jesôsy ny mpanara-dia Azy mahatoky amin'ny fiaviany fanindroany; avy eo, miaraka amin'ireo olona masina mbola velona, dia hakarina ho any an-danitra izy ireo mba ho any amin'i Jesôsy mandrakizay (jereo ny 1 Tes. 4:16,17).

Ny "fialan'i" Paoly amin'izao fiainana izao mba hiaraka amin'i Kristy dia midika ho fiarahana Aminy ao anatin'ny fahoriana sy ny fahafatesana (2 Timoty 4:6) mba "hahatrarany ny fitsanganana amin'ny maty" (Fil. 3:11). Azo antoka koa ny fahafantaran'i Paoly fa hikimpy ao anatin'ny fahafatesana ny masony, ary ny zavatra manaraka ho fantany aorian'izany, toy ny ao anatin'ny indray mipi-maso, dia ity: hahita an'i Jesôsy izy, Izay hitondra azy, miaraka amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra, ho any amin'ilay toerana efa nomanin'i Jesôsy ho an'izay rehetra tia Azy (Jao. 14:3; 1 Mir. 2:9).

Vonona ny ho faty ho an'i Kristy i Paoly; na izany aza dia fantany fa mahasoa kokoa ny Filipianina ny "hitoerany eo amin'ny nofo" (Fil. 1:24). Mahaliana tokoa fa ho an'ny Kristianina, dia tsy mora mandrakariva ny mahafantatra na ny velona ho an'i Kristy na ny maty ho Azy no tsara kokoa. "Sanganehana teo anelanelan'izy roaroa" i Paoly (Fil. 1:23), dia teo anelanelan'ny hoe mbola ho velona sa hiala sasatra ao am-pasana.

Tsy misy olona maniry ny ho faty. Kanefa efa nosaininao ve ny amin'ny fotoana hahafatesanao, fa ny zavatra manaraka ho fantatrao aorian'izany dia ny fiverenan'i Kristy? Ahoana no mety hanampian'izany hevitra izany anao hahatakatra ny fomba fisainan'i Paoly eto? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal