Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.

Daty
Alakamisy 15 January 2026

Vakio ny Fit. 1:27-30. Inona no ifandraisan'ny hoe "miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara" , sy ny tsy fananan-tahotra?

Ny hampisara-bazana sy ny, hamabo no tetikadin'i Satana. Mahafaty ny fisaratsarahana. Hoy i Jesosy: "raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany." - Mar. 3:25. Tsotra izany foto-kevitra izany, ary mahafaly an'i Satana ny fanadinoantsika azy. Manampy antsika hahatanteraka ny anjara asantsika amin'ny maha vahoaka sisa antsika araka ny faminaniana ao amin'ny Baiboly (Apôk. 12:17) ny firaisantsika, dia ny fitoriana ny "filazantsara mandrakizay (...) amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk . 14:6. Koa satria zava-dehibe ho army fanatanterahana ny asa nanirahana antsika amimny fanapariahana io hafatra nomen’ Andriamanitra io ny firaisana, ary manantitrantitra ny "fahamarinana" ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra ho anisan'ny zava-manan-danja indrindra ho amin>ny firaisana ny vavaka nataomi Jesôsy ao amimny Jao. 17 (Jao. 17:17,19), dia tsy azo sarahina amin>ny iraka tanterahintsika sy ny firaisantsika ny hafatra torintsika. Na miara-mijoro na miara-mirodana ireo toko telo ireo. Na ny anankiray amin'ireo ihany aza no tsy eo, dia tsy hahomby isika. Fa raha manana azy telo kosa isika, dia tsy misy tokony hatahorana. "Tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina na amin'inona na amin'inona" isika Fit. 1:28. Fahavalo efa resy i Satana. Na hatao maty noho ny finoantsika aza isika, dia tsy misy na inona na inona afaka manisy ratsy antsika raha "mazoto amin'izay tsara" isika - 1 Pet. 3:13. Tsy manam-pahefana hampitsahatra ny fandrosoan'ny fahamarinan'Andriamanitra ny devoly.

Vakio ireto andininy manaraka ireto ary fintino vetivety ny lohahevitra iraisan'izy ireo: Mat. 10:38, Asa. 14:22, Rôm. 8:17, 2 Tim. 3:12.

Sarotra ny fiainana eto amin'ity tontolo lava ity, na ho an'izay "tsara indrindra" amintsika aza. Olo-marina i Joba; na ny Baiboly aza nilaza fa "marina sy mahitsy izany lehilany izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy" - Joba 1:1. Nefa, tao anatin'ny indray alina dia namely azy sy ny ankohonany ny loza. Iza amintsika no tsy mahafantatra, na tamin'ny alalan'ny fanandramana niainantsika manokana na noho ny fahitana izay mania ny hafa, fa ny fiainana eta dia toy ny miaina eo amoron-tevana, ka tsy fantatra velively hoe rahoviana no hianjera? Azo lazaina ho anjaran'ny olombelona rehetra ny fahoriana. Amin’ny farany anefa, aleo miaritra fahoriana noho ny amin'i Kristy toy izay noho ny zavatra hafa.

lnona no fanantenana sy faherezana tokony hananantsika, amin'ny maha Kristianina antsika, eo anivon'ny fahoriana mahazo antsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal