Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.

Daty
Alatsinainy 12 January 2026

lsika rehetra, indrindra fa isika mpino, dia mandray anjara ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, izay miseho manodidina antsika, ary mitranga ao anatintsika koa aza. Samy mahatsapa ny fisian'io ady mahafaoka izao rehetra izao io isika rehetra, na amin'ny fomba ahoana na ahoana, ary ho toy izany mandra-pahafatintsika, na rahoviana na rahoviana, ary na amin'ny endriny manao ahoana na ahoana no isehoan'izany.

Vakio ny 2 Ker. 10:3-6. Inona no fototry ny ady ara-panahy atrehintsika, ary Inona avy ny fitaovam-piadiana ananantsika?

Ny hevitra, na tsara na ratsy, no fitaovam-piadiana ara-panahy mahafaty indrindra. Mampiasa fanakianana, famadihana, fanalam-baraka, tahotra, faneren'ny namana, ary fitaovana marobe mitovy amin'izany i Satana izaytsy tokony hampiasain'ny Kristianina mihitsy. Ny fitiavana, ny famindram-po, ny fiadanana, ny fahalemem-panahy, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ary ny fahononam-po kosa no tokony hampiasaintsika. Ny fitaovam-piadiana mahery indrindra ananantsika, raha ampiasaina amim-pahendrena, dia "ny Tenin'Andriamanitra", izay sabatra ampiasain'ny Fanahy (Efes. 6:17), satriaAndriamanitra irery ihany no afaka mampiditra ny fahamarinana ao am-pon'ny olona. Fitaovana fotsiny isika, izay ampiasain'Andriamanitra hahatontosa ny fikasany.

Vakio ny Fit. 1:21,22. Ahoana no ahafahantsika mahatakatra ny tian'i Paoly ambara, indrindra ao anatin'ny tontolon-kevitr'ilay fifanandrinana lehibe?

Satria ara-panahy ny ady, dia ady amin'ny lafiny ara-kevitra sy soatoavina no atrehintsika. Kanefa efa azon'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ho antsika ny fandresena, ary raha mbola mifandray Aminy koa isika, dia tsy ho resy mihitsy, na dia vonoina ho faty aza. Tsy nitandro ny ainy i Paoly tamin'izay rehetra nanjo azy teto an-tany, na dia tsy ara-drariny aza, satria nankininy tamin'ny Fitsarana ambony kokoa ny ainy sy ny hoaviny.

Amin'ny maha-Kristianina antsika dia tsy tokony hiady loatra ho an'ny zontsika isika, fa ho an'izay marina. Tsy "ny fahefana no ampanjakana ny fahamarinana" fa "ny fahamarinana no manana ny fahefana". Mendrika homem-boninahitra ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra; raha ny marina dia izany ihany no fomba hahazoantsika ny fandresena amin'ny ady atrehintsika. I Jesôsy , mazava loatra, no ohatra tonga Iafatra amin'ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra, araka ny hazavain'i Paoly ao amin'ny Fil. 2.

Amin'ny fomba ahoana no ahatsapanao ny maha zava-misy ilay fifanandrinana lehibe amin'izao fotoana izao? Ahoana no handraisanao fampiononana sy hery avy amin'ny fahafantarana fa efa azon'i Kristy ho antsika ny fandresena? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal