Hitantsika teo aloha teo amin'ny fiainan'ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha fa tsy mora mandrakariva ny mitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra. Nahatsapa ny tahotra sy ny tebiteby tsapan'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly koa i Ellen G. White. Araka ny nianarantsika tamin'ny Zoma lasa teo, mbola tanora izy, saro-kenatra, ary osa ara-pahasalamana rehefa nandray ny antson'Andriamanitra. Na dia nanamafy ny fiantsoana azy aza ny fahitana faharoa nomen'Andriamanitra azy, dia mbola natahotra sy nisalasala momba izany antso izany ihany i Ellen Harmon [White], ka nanoratra hoe:
"Herinandro teo ho eo taorian'izany dia nomen'ny Tompo fahitana hafa aho, ka nasehony ahy ireo fizahan-toetra tsy maintsy hodiaviko; fa tsy maintsy milaza amin'ny hafa izay nasehony tamiko aho; ary hiatrika fanoherana lehibe sy fahorian-tsaina lalina. (...) Nampitebiteby ahy mafy izany fahitana izany. Tena osa ny fahasalamako tamin'izany, ary vao fito ambin'ny folo taona monja aho. (...) Nivavaka mafy aho mba hafindra amin'olon-kafa izany enta-mavesatra izany. Kanefa izao no hany fahazavana azoko: 'Ampahafantaro ny hafa izay nambarako taminao.' Tsy mbola vonona hivoaka eo anivon'izao tontolo izao aho. Raha ny toetrako rahateo dia kely dia kely ny fitokisako tena. (...) Naniry ny ho faty aho. Toa tsara kokoa tamiko ny fahafatesana noho ireo andraikitra mavesatra tsy maintsy hozakaiko." - SG, b. 2, tt. 35, 36.
Voamarikao ve fa naleon'i Ellen Harmon [White] maty toy izay hanaiky ny fiantsoan'Andriamanitra azy? Kanefa, taorian'ny vavaka maro sy ny fampaherezan'ireo mpino namany, dia nanaiky ihany izy ary nanokana ny androm-piainany sisa hanatanterahana ny "baikon'Andriamanitra." - SG, b. 2, t. 38.
Tonga feo manan-kery sy misy fiantraikany lehibe indrindra eo amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izy. Na izany aza, olombelona ihany i Ellen Harmon [White], ka nanana ny fahalemeny, ny olany manokana ara-pahasalamana, ny zava-tsarotra teo amin'ny fiainam-pianakaviany, ary ny fahasarotana teo amin'ny fifandraisany tamin'ny hafa. Tao anatin'izany maha olona azy izany anefa no ahitantsika lesona lehibe iray: mifidy olona tsy tonga lafatra izay vonona hanompo Azy Andriamanitra.
Eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina, ny asa maha mpaminany an'i Ellen G. White dia hampahery ny mpino sy hampifandray azy ireo amin'ny fahamarinana ara-Baiboly. Nandray anjara lehibe tamin'ny fampandrosoana ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito izay vao niforona izy tamin'ny taona 1860, fiangonana iray nomena iraka hitory ny hafatry ny anjely telo amin'izao tontolo izao. Andriamanitra no hitarika ireo mpino hametraka lamina ho an'ny fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny taona 1863. Am-polo taona taty aoriana, nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fananganana sy ny fampandrosoana ny rafitra ara-pahasalamana sy ara-panabeazana advantista maneran-tany ny faminanian'i Ellen G. White. Nefa ny anjara biriky lehibe indrindra teo amin'ny asa fanompoany dia ny asa sorany, izay mahatratra 100.000 pejy eo ho eo. Mbola mitohy miteny amin'ny olona manerana izao tontolo izao ankehitriny ireo asa soratr'i Ellen G. White, izay avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra.