Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Voatsara ilay vehivavy janga.

Daty
Alakamisy 17 April 2025

Vakio ny Apôk. 19:1-9. Toe-javatra roa no ankalazaina miaraka eto: ny fiafaran'ilay vehivavy janga sy i Kristy mampakatra ny vadiny. Ahoana no mahatonga ireo toe-javatra roa ireo sady maneho ny fahamarinan'Andriamanitra no maneho koa ny toetrany be fitiavana?

Vidin-dafo tokoa ny tsy fahatokiana ao amin'ny fanambadiana. Miantraika amin'ny fiainan'ny zanaka sy ny hafa ny vokatr'izany. Na dia ny vady voafitaka izay manam-paharetana indrindra aza dia mety hahita amin'ny farany fa misy ny fetra tsy azo ihoarana ka tsy hahafahana manavotra intsony ilay fanambadiana. Rehefa tonga amin'ny teboka iray izay mahatonga ny fon'ny maro ho mafy tanteraka ka tsy hibebaka intsony ity tontolontsika ity, dia tsy mahasoa na inona na inona intsony ny fanohizana ny tantara sy ny famelana ny fahoriana ateraky ny fahotana hitohy. Na dia misy aza ny alahelo noho ny amin'ireo izay very, dia afaka ny hanao fankalazana kosa ireo niari-pahoriana noho ny fihanaky ny fahotana, satria fongana ihany izany nony farany, ary haverina indray ho amin'ny fikasan'Andriamanitra ho azy tany am-piandohana ny tany. Tsy hisy intsony amin'izany ny fiodinana amin'Andriamanitra, satria efa nandray lesona avy tamin'ny fomba henjana isika fa rariny raha malahelo fatratra Andriamanitra noho ny fisarahantsika Aminy.

Vakio ny Apôk . 21:1-4. Inona no hevitry ny sary an'ohatra momba ny fanambadiana eto, ary nahoana izany no feno fanantenana sy teny fikasana? Inona no antoka ho antsika momba ny fanantenana aseho ao amin'ireo andininy ireo?

"Ny fanambadiana, izay firaisana mandritra ny fiainana manontolo, dia andindon'ny firaisana misy eo amin'i Kristy sy ny fiangonany. Ny fitiavana asehon'i Kristy amin'ny fiangonana no fitiavana tokony hasehon'ny mpivady amin'ny ankilany." - TFC, b. 7, t. 46.

Fahoriana tsy takatry ny saina ne tsapan'i Kristy rehefa nandà Azy ny taranak'olombelona ary nanolotra ny fitiavana tokony ho Azy ho an'ny andriamani-kafa. Na izany aza dia nanolotra ny Ainy ho antsika Izy, ny Tenany no nanonitra ny vidin'ny tsy fahatokiantsika sy ny fijangajangantsika, mba hahatonga antsika hanana ny teny fikasan'ny fiainana mandrakizay raha mibebaka sy miala amin'ireny andriamani-tsy izy ireny.

Vakio ny 1 Pet. 1:18,19. Inona no ambara amintsika ao amin'ireo andalan-Soratra Masina ireo izay manome antsika toky momba ny farany Izay resahin'ny Apôk. 21:1-4?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal