Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana

Daty
Alakamisy 16 October 2025

ANY ANKOATR'I JORDANA

"Efa nampody ny ranomasina ho fany maina Izy: Nandeha an-tongofra nita ny ony ny olona: Tao no nifaliantsika tamin' Andriamanitra." - Sal. 66:6

Samy nanamarika vanim-potoana vaovao teo amin'ny tantaran'ny Baiboly ny fiampitana ny Ranomasina Mena sy ny onin'i Jordana, ary samy manana heviny ara-tandindona izany (jereo ny Sal. 66:6, Sal. 114:1-7 ary ny 2 Mpanj. 2:6-15). Misy andalan-teny maromaro ao amin'ny TT izay mampifandray ireo fotoana roa nitan'ny zanak Isiraely ny rano, ary hita taratra amin'ireny lahatsoratra ireny fa manana heviny izay tsy voafetran'ny tontolon-kevitra ara-tantara fotsiny izany fa lalina kokoa noho izany. Ao amin'ny Sal. 66, dia mankalaza ny asa fanavotana nataon'Andriamanitra teo amin'ny fiainany ny mpanao Salamo (Sal. 66:16-19) ka niresaka momba ireo toe-javatra manan-tantara - ny fiampitana ny Ranomasina Mena sy ny fiampitana ny onin'i Jordana.

Mampifandray ireo toe-javatra roa ireo koa ny Sal. 114, tsy noho ny tsy fahafantaran'ny mpanoratra ny fotoana samy hafa nitrangan'izany tsy akory, fa noho ny hevitra ara-teolojia itovian'ireo toe-javatra roa ireo. Araka izany, dia heverina fa manamarika ny fiovana teo amin'ny toerana misy ny Isiraely ireo toe-javatra roa ireo; nanamarika ny fialana tamin'ny fanandevozana mankamin'ny fahafahana ny iray, ary ny iray kosa nanamarika ny fifindrafindrana sy ny tsy fananana tany ho amin'ny fijoroa ho firenena. Ao amin'ireo Salamo ireo, dia maneho ny fiovan'ny toerana misy ny mpanoratra ireo fiampitana roa ireo, avy amin'ny fahoriana sy ny fahantrana ary ny tsy fananan-kery sy ny fahafaham-baraka ho amin'ny fahatoniana sy ny fiadanana ary ny famonjena sy ny fahamendrehana.

Teo amoron'i Jordana koa no nisehoan'ny famindrana an'i Elia hankany an-danitra, tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fahagagana sahala amin'izay voatantara ao amin'ny bokin'i Josoa. Nitondra ny fiovana manan-danja indrindra teo amin'ny fiainan'i Elia io fiampitana an'i Jordana io: nentina niakatra ho any an-danitra izy. Zava-dehibe ho an'i Elisa koa izany fiovana izany: tonga mpaminany teo amin'ny firenena (2 Mpanj. 2:22) ny mpanompon'ilay mpaminany (1 Mpanj. 19:21).

Vakio ny Mat. 3:16,17 sy ny Mar. 1:9. Ahoana no anehoan'ireo mpanoratra ny TV ireo ny hevitra ara-tandindona sy ara-panahin'ny onin'l Jordana?

Nanaraka ny firafitry ny tantaran'ny Isiraely fahiny ny asa fanompoan'i Jesosy teto an-tany, amin'ny maha-Solontenan'ny Isiraely Azy. Nandalo tamin'ny fanandraman'ny "Ranomasina Mena" sy "Jordana" İzy. Nantsoina hiala tany Egypta Izy taorian'ny fivoahan'ny didy fampamonoana (Mat. 2:14-16), nijanona tany an'efitra nandritra ny 40 andro (Mat. 4:2) tahaka ny naha-tany an'efitra ny Isiraely fahiny nandritra ny 40 taona; ary ho fifindrana avy amin'ny Fiainany manokana mankamin'ny asa fanompoana nataony teo amin'ny olona, dia natao batisa tao Jordana Izy (Mat. 3:16,17; Mar. 1:9).

Aty aoriana, dia eken'ny Heb. 3-4 fa manana heviny ara-tandindona ny fitana ny onin'i Jordana ary ambarany fa ny fidirana tao Kanana dia fanehoana mialoha ny "fitsaharana ao amin'ny fahasoavana" izay idiran'ny Kristianina amin'ny alalan'ny finoana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal