Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - Ny fanambaran’i Nikodemosy

Daty
Alakamisy 24 October 2024

Vakio ny Jao. 3:1-21. Manohana lay lohahevitra voizina ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny fanambaran'i Nikodemôsy: amin'ny fomba ahoana?

Mpampianatra nohajaina teo amin'ny Isiraely i Nikodemôsy, ary mambran'ny Synedriona izay nanan-karena. Mitana toerana lehibe ao amin'ny filazantsaran' i Jaona ny fanambarany noho ny antony maro. Nantsoiny hoe "Raby" i Jesôsy, ary noresahiny ny amin’ireo famantarana nataon'i Jesôsy izay manaporofo ny maha-avy amin’Andriamanitra ny asany. Dia toy izany no nanomezan’i Nikodemôsy porofo manohana ny maha-Mesia an'i Jesôsy, na dia tsy mbola fantany akory aza fa nanao izany izy.

Noraisin'i Nikodemôsy ho porofon'ny maha-avy amin'Andriamanitra ny asan'i Jesôsy ireo famantarana ireo, saingy tsy hitany fa nanondro an'i Jesôsy ho fahatanterahan'ny faminaniana ao amin'ny TT momba ny Mesia ireo. Koa nisy fisalasalana tao aminy raha tonga nanatona an'i Jesôsy izy. Tsy nanaiky ani Jesôsy ho Kristy izy tamin'io fotoana io.

Vakio ny Jao. 3:3-21. Inona no nambaran'i Jesôsy tamin'i Nikodemôsy mba hanehoana fa afaka namaky ny tao an-tsainy Izy?

Mahafantatra ny ao am-pon'ny olona tsirairay i Jesôsy. Toa mivantambantana no fahitana ny famalin'i Jesôsy an'i Nikodemosy, kanefa notsoriny ny resaka. Ninoan'ny Jiosy fa mila miova fo ny Jentilisa, kanefa maro tamin'ireo Jiosy ireo no tsy nahatakatra fa ny tenany koa, izay vahoaka voafidy, dia nila izany fiovam-po izany. Tsy misy olona voavonjy hatramin'ny nahaterahany izany, na inona na inona firazanany na fiangonana nahalehibe azy.

Tsy isalasalana fa maro ny tombon-tsoan'ny Jiosy, noho ny halehiben'ny lovany izay fantatra hatramin'ny tantaran'i Abrahama (Rôm. 3:1,2). Kanefa tsy ampy raha izany fotsiny. Izay tsy hain'i Nikôdemôsy nosainina no nambaran'i Jesôsy taminy, dia ny tsy maintsy hahaterahany indray avy any ambony, izy izay mpampianatra sy mpanapaka ny Isiraely!

Dia nasehon'i Jesôsy an'i Nikodemôsy ny tsy fahalalany ara-panahy: "Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?" - Jao. 3:10. Ahoana no tsy hahaizanao izany kanefa mpampianatra ambony sy hajaina ianao? Inoana fa nanindrona izany teny izany.

Na nametra-panontaniana maro momba an'i Jesôsy aza i Nikodemôsy tamin'io fotoana io, dia niandany ho isan'ny mpanara-dia an'i Jesôsy ihany izy taty aoriana (Jao. 19:39).

Inona no hevitry ny hoe: "ateraka indray", ary nahoana no notsindrian'i Jesôsy tsara izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal