Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?

Daty
Talata 20 January 2026

Mihamitombo hatrany maneran-tany ireo orinasa mikaroka ny fomba hampitambarana ny fahaiza-manaon'ny solosaina sy ny atidohan'olombelona. Toy izao izany raha lazaina amin'ny teny hafa: ny fampifandraisana ny atidoha amin'ny solosaina dia antenain'ny mpahay siansa fa hahafahana mifehy ny fisainantsika amin'ny alalan'ny solosaina. Mety mampanantena vokatra tsara ny fametrahana fitaovana kely ao amin'ny atidohan'olombelona, anisan'izany ny fanampiana amin'ny fifehezana ny aretina androbe sy ny fahaketrahana ary ny aretin'i Parkinson. Na izany aza anefa, dia azo heverina ny hampiasana izany ho amin'ny tanjona mampanahy; tsy isalasalana fa mety ho isan'izany ny fifehezana ny fisainana.

Amin'ny lafiny iray, dia efa izany tokoa no mitranga. Tahaka ny solosaina iray ny saintsika, saingy mbola ambony lavitra noho izany ny tanjany sy ny fiasany. Ny zava-misy miseho tsy tapaka manoloana antsika dia mamolavola ny saintsika sy manana hery miasa mangina ea amin'ny fisainantsika ary manoritra ny asa ataontsika. Rehefa milomano ao anatin'ny haino vaky jery be loatra isika, dia mamela marika ao amin'ny saintsika ny fomba fisainan'izao tontolo izao ka manjary mitovy fomba fihevitra amin'izy ireo isika. Toy ny hoe apetraka na akambana amin'ny atidohantsika ny fisainan'ny hafa.

Tokony ho "araka ny Fanahy" tahaka an'i Jesosy isika, ka hampifantoka ny saintsika amin'ny zavatry. ny Fanahy (Rom. 8:5). Hoy i Paoly: "Tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany" izay mifanohitra amin'ny "fanahinizao tontolo izao" - 1 Kôr. 2:11,12. Iza no mpampianatra antsika? Ary Inona ny lesona ianarantsika?

Vakio ny Fil. 2:5. Araka ny hevitrao, midika Inona ny hoe manana ny "sain'i Kristy?

Raha ny marina, dia afaka miova hevitra isika, saingy tsy afaka manova ny fontsika; Andriamanitra irery no mahay manao izany. saintsika ny handidian'ny Fanahy Masina ny fontsika, ka ampiasany ny "sabatry ny Fanahy (Efes. 6:17), ilay tenin'Andriamanitra izay "velona sy mahery" ka "manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo." - Heb. 4:12. Amin’ny alalan'ny Fanahy Masina irery ihany no hahafahantsika mamantatra marina ny tenantsika, satria mamitaka antsika ny fontsika (Jer. 17:9). Ny teny hebreo ilazana ny hoe "mamitaka" ('agov) dia manondro tany mikitoantoana izay mety hahatafintohina antsika. Raha tsarina, dia manondro fisainana feno tsy fahamarinana sy tsy fahitsiana izany. Tsy maintsy ovana isika, amin'ny alalan'ny "fanavaozana" ny saina mba hahaizantsika mamantatra "ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina." - Rôm. 12:2. 

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fanarahantsika izay Iazain'i Paoly amintsika hoe: "Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona mahate-ho-tia, na Inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany." Fil. 4:8? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal