Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 23 January 2026

"Ny fitiavan-dray izay niampita tamin'ny taranaka nifandimby tamin'ny alalan'ny fon'olombelona, ny loharanom-pitiavana rehetra izay nivoha tao amin'ny fon'ny olona, dia toy ny sakeli-drano kely ihany manoloana ny ranomasimbe tsy hita fetran'ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy misy lela mahalaza izany na penina mahasoritsoritra ny momba azy. Mety hisaintsaina momba izany isan'ardro ianao mandritra ny androm-piainanao, mety hianatra ny Soratra Masina amin-kafanam-po ianao mba hahatakaranao ny heviny, mety hanetsika ny hery sy ny fahaiza-manao rehetra nomen'Andriamanitra anao ianao mba hahatakarana ny fitiavana sy ny fangorahan'ilay Ray any an-danitra, nefa rnbola tsy mety hitanao ny faran'izany. Mety handalina momba izany fitiavana izany mandritra ny taona maro ianao, saingy tsy ho takatrao amin'ny fahafenoany izay sakany sy lavany ary haavony sy halalin'ny fitiavan'Andriamanitra tamin'ny nanomezany ny Zanany ho faty ho an'izao tontolo izao. Na ny mandrakizay aza tsy ampy hampahafantarana izany tanteraka. Kanefa, rehefa mandinika ny Baiboly isika ary misaintsaina momba ny fiainan'i Kristy sy ny drafi-panavotana, dia hihamitombo hatrany ny fahatakarantsika ireo lohahevi-dehibe ireo." - TFC, b. 5, t. 740.

"Rehefa mandray fiofanana isika, tahaka izay nataon'i Mosesy tao amin'ny sekolin'i Kristy, Inona ny lesona hianarantsika? Ny ho tonga mpiavonavona ve? Ny hihevi-tena ho zavatra? Tsy izany velively. Arakaraka ny ianarantsika ao amin'io sekoly io no handrosoantsika amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena. Aoka isika tsy hihevrtra fa efa mahalala izay rehetra tokony ho fantatra. Tokony hampiasa amin'ny fomba tsara indrindra ireo talenta nomen'Andriamanitra antsika isika, ka rehefa hovana ho tsy mety maty isika, dia tsy ho very izay efa nianarantsika fa hoentintsika any an-danitra. Mandritra ireo taona tsy manam-pahataperan'ny mandrakizay, dia i Kristy sy ny asam-panavotana nataony no lohahevitra hodinihintsika." - Ms 36, 1885.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra:

 1. Inona avy ireo fomba efa niainanao ny fanandramana momba ny maha zava-misy marina ny fitiavan'Andriamanitra? Resaho ao amin'ny kilasy ireo fomba samy hafa nahatongavanao ho arnin'ny fahafantarana sy fiainana izany fitiavany izany.

2. Inona no tena hevitry ny nahatongavan'i Jesosy "ho manam-pitoviana amin'ny olona"- Fil. 2:7? Ampitahao amin'ny Rom. 8:3 'zany. Ifanakalozy hevitra ny momba ireo toko sy andininy ireo ary ampifandraiso ny hevitra ambarany.

3. Inona ny fihaikana mikasika ny firaisana izay atrehin'ny fiangonana misy anao? Na inona na Inona olana, dia fomba iray rnanan-danja anombohana ny famahana izany fly fetezana hanetry tena, ny tsy hanao na Inona na inona "amin'ny fifampiandaniana" - Fil. 2:3; nahoana? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal