Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra

Daty
Alatsinainy 20 October 2025

ADY ANY AN-DANITRA

Takatr'i Josoa fa ampahany amin'ny ady lehibe lavitra ilay ady. Inona no fantatsika momba ilay ady izay andraisan’Andriamanitra anjara mihitsy? Vakio ny Apôk. 12:7-9, Isa. 14:12-14, Ezek. 28:11-19, ary ny Dan. 10:12-14.

Nofenoin Andriamanitra voary manan-tsaina izao tontolo rehetra izao, izay nomeny safidy malalaka. lo no fepetra ilaina mba hahafahan'izy ireo mitia. Afaka misafidy ny hitondra tena mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra na ny mifanohitra amin'izany. Nisy anjely iray mahery indrindra, i Losifera, nikomy tamin Andriamanitra, ary nitaona anjely maro niaraka taminy.

Samy miresaka momba io ady io ny Isaia sy ny Ezekiela, na dia misy mpandiníka sasany aza miezaka mametra ny hevitry ny Isaia 14 sy ny Ezekiela 28 ho mikasika ny mpanjakan'i Babylona sy ny mpanapaka iray tao Tyro fotsiny. Saingy misy famantarana mazava omen'ny Baiboly, izay manondro tontolo iray ankoatra ity hita maso ity. Ambara ho tany an-danitra teo amin'ny seza fiandrianan Andriamanitra ny mpanjakan'i Babylona (Isa. 14:12,13), ary ny mpanjakan'i Tyro kosa voalaza fa nitoetra tao Edena tamin'ny naha kerobima manaloka azy teo amin'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra (Ezek. 28:12-15). Tsy misy amin'ireo voalaza ireo marina momba ny mpanjakan'i Babylona sy Tyro.

Tsy azo ilazana ny amin'ireo mpanjaka teto an-tany koa ny hoe "tsy nanan-tsiny" izy ireo ary "mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika". Noho izany dia manondro mihoatra lavitra noho ny fanjakan'i Babylona sy Tyro ara-bakiteny izany.

Manao "fanoharana" (teny hebreo: mashal) i Isaia, izay mivoy hevitra mihoatra lavitra noho ny toe-javatra ara-tantara nisy tamin'izany fotoana izany. Eto, ny mpanjakan'i Babylona dia manjary ohatry ny fikomiana, ny fihamboana ho mahavita tena, ary ny avonavona. Toy izany koa, navahan'i Ezekiela ny mpitondra an'i Tyro (Ezek. 28:2, DIEM) sy ny mpanjakan'i Tyro (Ezek. 28:11,12), ka ilay mpitondra izay niasa teto an-tany, dia manjary tandindon'ilay mpanjaka izay miasa any amin'ny tontolo any an-danitra.

Araka ny voalaza ao amin'ny Dan. 10:12-14, ireo voary any an-danitra mpikomy ireo dia manakana ny fikasan'Andriamanitra tsy ho tanteraka eto an-tany. Ao anatin'izany fifandraisana misy eo amin'ny lanitra sy ny tany izany no tokony hahatakarantsika ireo ady nasain'Andriamanitra natao teo amin'ny Isiraely. Fisehoan'ny fifanandrinana lehibe ifanaovan'Andriamanitra sy i Satana, ary ny tsara sy ny ratsy, no tokony handraisantsika izany- ka ny tanjona faratampony amin'izany dia ny hampanjaka indray ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra eto amin'ity tontolo lavo ity.

Amin'ny fomba ahoana no ahitantsika, eo amin'ny manodidina antsika sy eo amin'ny flainantsika manokana, ny maha-zava-misy io fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal