Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 24 October 2025

FIANARANA FANAMPINY : Vakio "Ny nandravana an' i Jeriko", PM, toko 45.

Rehefa nipoitra teo anivon’izao tontolo rehetra izao ny fikomiana tamin'ny fahefan’Andriamanitra, dia na mitsahatra tsy ho Ilay Andriamanitra tsy miova sy mandrakizay araka ny maha-lzy Azy Andriamanitra, ka hatolony ho an'ny anankiray amin'ireo voariny mikomy ny fitondrana izao rehetra izao, na hitoetra ho llay Ray masina, marina, be fitiavana, ary mpamindra fo sy mpiahy izao rehetra misy izao Izy. Maneho ny sary faharoa ny Baiboly, izay ahitana fa tsy azo ihodivirana ny fifanandrinana eo amin'ny herin'ny ratsy sy ny herin'Andriamanitra.

Rehefa naneho toe-tsaina feno fanoherana mitovy amin'izany tamin'i Jehôvah ireo fahefana ara-politika na ara-tsosialy teo amin'ny tantara, izay mifandray amin'ny herin'ny maizina mpanakorontana sy mpikomy, dia niditra an-tsehatra Izy, amin'ny maha-Tompo sy Mpanjakan'izao rehetra izao Azy. Ny fanehoana an'i Jehôvah amin'ny maha-mpiady mahery Azy dia nanjary tandindon'ny fandresena faratampony izay hamarana tanteraka ny ady ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy izay mahafaoka izao tontolo rehetra izao (Apôk. 20:8-10). Ankoatra izany, ny ady masin'ny Isiraely dia tsy vitan'ny maneho taratra ilay fifanandrinana lehibe toy ny ao anaty fitaratra, fa ampahany manan-danja amin'io ady io mihitsy, izay manambara mialoha ny fitsaran’ Andriamanitra amin'ny andro farany eo amin'ny sehatry ny tantara ankehitriny

Tombontsoa sy adidy nomen'Andriamanitra azy ireo ny hiditra ny Tany nampanan-tenaina tamin'ny fotoana izay notendreny, saingy nesorina tamin'izy ireo izany tombontsoa izany vokatry ny hadalana niniany natao. (...) Tsy drafitr'Andriamanitra ny hahazoan’izy ireo ny tany tamin'ny alalan'ny ady, fa tamin'ny fankatoavana tanteraka ny didiny kosa. -PP. 1. 392.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Raha fantatrao ny tontolon-kevitra manodidina ilay fifanandrinana lehibe mahafaoka izao tontolo rehetra izao, ahoana no anampian'izany anao hahatakatra tsara kokoa ny balkon'ny Tompo mba hirotsahan'ny Isiraely an'ady?

2. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny valin-teninao tamin'ny fanontaniana ao amin'ny fizarana Alatsinainy mikasika ny maha-zava-misy marina ilay fifanandrinana lehibe sy ny fomba isehoany eo amin'ny tontolo manodidina antsika. Inona no anjarantsika amin'izany ady izany, ary amin'ny fomba ahoana no iezahantsika manatanteraka izany?

3. Ahoana no fomba hampiharantsika ilay foto-kevitra hoe: mangina sy miandry tsara an'i Jehôvah hiady ho antsika eo amin'ny fiainantsika ara-panahy?

4. Matetika rehefa misy adihevitra na fifandirana indraindray ao amin'ny fiangonana, dia tiantsika ho hita hoe iza no miandany amintsika. Ahoana no tokony hanovantsika ny fisainantsika eo am-pandinihana ny Jos. 5:13-15?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal