JEHÔVAH DIA MPIADY MAHERY
Vakio ny Eks. 2:23-25; Eks. 12:12,13 sy ny Eks. 15:3-11. Inona no hevitry ny hoe mpiady mahery | Jehôvah ?
Nandritra ny fotoana nijanonany ela tany Egypta, dia nanadino Ilay Andriamanitra marina nivavahan'ny razany ny Isiraelita. Araka ny asehon'ireo tantara mikasika ny dian'izy ireo namakivaky ny efitra, dia nanjavozavo ny fahalalany an'Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nafangarony tamin'ny fanaon'ny mpanompo sampy ny fivavahany (jereo ny Eks. 32:1-4). Nitaraina tamin'i Jehôvah izy ireo tao anatin'ny fampahorian'ny Egyptianina (Eks. 2:23-25), ary niditra an-tsehatra niaro azy ny Tompo tamin'ny fotoana nilany izany indrindra.
Kanefa lehibe lavitra noho ny adim-pahefana teo amın'i Mosesy sy i Farao ny fifandonana soritsoritana ao amin'ireo toko 12 voalohany amin'ny bokin'ny Eksodosy. Araka ny fisainana tany Proche-Orient fahiny momba ny ady, ny fifandonana teo amin'ny vahoaka dia noheverina ho fifandonana teo amin'ireo andriamanitry ny andaniny sy ny ankilany. Ambaran'ny Eks. 12:12 fa notsarain'i Jehôvah i Farao, ary tsy izy ihany fa ireo andriamanitry ny Egyptianina koa, izay demonia mahery (Lev. 17:7; Deo. 32:17) nijoro tao ambadiky ny fahefana mpampahory sy tsy rariny teo amin'ny fiarahamonina tao Egypta.
Raha ny marina dia miady amin'ny ota Andriamanitra ary tsy holeferiny ny haharetan'izany ady izany mandrakizay (Sal. 24:8; Apôk. 19:11; Apôk. 20:1-4,14). Ireo anjely lavo rehetra, sy ny olombelona izay mifikitra amin'ny fahotana ary tsy manaiky hovana intsony, dia haringana. Araka izany, ny ady tamin'ireo mponina tao amin'ilay tany dia tokony horaisina ho ampahany voalohany amin'io fifanandrinana io, izay ho tonga amin'ny faratampony eo amin'ny hazo fijaliana, ary hifarana amin'ny fitsarana farany, rehefa hohamarinina ny fitsaran Andriamanitra sy ny toetrany be fitiavana.
Ny amin'ny fandringanana tanteraka ny Kananita dia tsy maintsy takarina araka ny fomba fijery ara-Baiboly, izay ahitana an'Andriamanitra miditra an-tsehatra ao anatin'ny fifanandrinana lehibe ifanaovany amin'ireo tafiky ny ratsy eo amin'izao tontolo rehetra izao. Ny tena ahina mantsy dia ny lazan'Andriamanitra ho voaloto, sy ny toetrany haseho amin'ny fomba diso (Rôm. 3:4; Apōk. 15:3).
Hatramin'ny fotoana nidiran'ny ota teo amin'ny fiainan'ny olombelona dia tsy misy olona afaka milaza ny tenany ho sady tsy momba ny atsy no tsy momba ny aroa. Tsy maintsy miandany na amin'Andriamanitra na amin'ny ratsy ny olona. Noho izany, araka io fomba fijery io, ny fandringanana ny Kananita dia topy maso ny amin'ny fitsarana farany.
Tsy maintsy mifidy na ny andaniny na ny ankilany isika ao anatin'io fifanandrinana lehibe io. Ahoana no ahafantarana hoe miandany amin'iza marina ianao?