Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery

Daty
Talata 21 October 2025

JEHÔVAH DIA MPIADY MAHERY

Vakio ny Eks. 2:23-25; Eks. 12:12,13 sy ny Eks. 15:3-11. Inona no hevitry ny hoe mpiady mahery | Jehôvah ?

Nandritra ny fotoana nijanonany ela tany Egypta, dia nanadino Ilay Andriamanitra marina nivavahan'ny razany ny Isiraelita. Araka ny asehon'ireo tantara mikasika ny dian'izy ireo namakivaky ny efitra, dia nanjavozavo ny fahalalany an'Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nafangarony tamin'ny fanaon'ny mpanompo sampy ny fivavahany (jereo ny Eks. 32:1-4). Nitaraina tamin'i Jehôvah izy ireo tao anatin'ny fampahorian'ny Egyptianina (Eks. 2:23-25), ary niditra an-tsehatra niaro azy ny Tompo tamin'ny fotoana nilany izany indrindra.

Kanefa lehibe lavitra noho ny adim-pahefana teo amın'i Mosesy sy i Farao ny fifandonana soritsoritana ao amin'ireo toko 12 voalohany amin'ny bokin'ny Eksodosy. Araka ny fisainana tany Proche-Orient fahiny momba ny ady, ny fifandonana teo amin'ny vahoaka dia noheverina ho fifandonana teo amin'ireo andriamanitry ny andaniny sy ny ankilany. Ambaran'ny Eks. 12:12 fa notsarain'i Jehôvah i Farao, ary tsy izy ihany fa ireo andriamanitry ny Egyptianina koa, izay demonia mahery (Lev. 17:7; Deo. 32:17) nijoro tao ambadiky ny fahefana mpampahory sy tsy rariny teo amin'ny fiarahamonina tao Egypta.

Raha ny marina dia miady amin'ny ota Andriamanitra ary tsy holeferiny ny haharetan'izany ady izany mandrakizay (Sal. 24:8; Apôk. 19:11; Apôk. 20:1-4,14). Ireo anjely lavo rehetra, sy ny olombelona izay mifikitra amin'ny fahotana ary tsy manaiky hovana intsony, dia haringana. Araka izany, ny ady tamin'ireo mponina tao amin'ilay tany dia tokony horaisina ho ampahany voalohany amin'io fifanandrinana io, izay ho tonga amin'ny faratampony eo amin'ny hazo fijaliana, ary hifarana amin'ny fitsarana farany, rehefa hohamarinina ny fitsaran Andriamanitra sy ny toetrany be fitiavana.

Ny amin'ny fandringanana tanteraka ny Kananita dia tsy maintsy takarina araka ny fomba fijery ara-Baiboly, izay ahitana an'Andriamanitra miditra an-tsehatra ao anatin'ny fifanandrinana lehibe ifanaovany amin'ireo tafiky ny ratsy eo amin'izao tontolo rehetra izao. Ny tena ahina mantsy dia ny lazan'Andriamanitra ho voaloto, sy ny toetrany haseho amin'ny fomba diso (Rôm. 3:4; Apōk. 15:3).

Hatramin'ny fotoana nidiran'ny ota teo amin'ny fiainan'ny olombelona dia tsy misy olona afaka milaza ny tenany ho sady tsy momba ny atsy no tsy momba ny aroa. Tsy maintsy miandany na amin'Andriamanitra na amin'ny ratsy ny olona. Noho izany, araka io fomba fijery io, ny fandringanana ny Kananita dia topy maso ny amin'ny fitsarana farany.

Tsy maintsy mifidy na ny andaniny na ny ankilany isika ao anatin'io fifanandrinana lehibe io. Ahoana no ahafantarana hoe miandany amin'iza marina ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal